Ary hoy indray i Mikaià: –Henoy àry ny tenin’ny TOMPO: Hitako nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany manko ny TOMPO; ary ireo anjeliny marobe any an-danitra nijoro teo ankavanany sy teo ankaviany.
Eksodosy 24:9 - DIEM PROTESTANTA Taorian’izany, dia niakatra teny an-tendrombohitra i Mosesy, niaraka tamin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo tamin’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niakatra i Mosesy, i Arona, i Nadaba, i Abiho ary fitopolo lahy tamin’ny loholon’ny Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’izany, dia niakatra teny an-tendrombohitra i Mosesy, niaraka tamin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo tamin’i Israely. Baiboly Katolika Niakatra i Môizy, nomban’i Aarôna sy i Nadaba ary i Abiò mbamin’ny fitopolo lahy tamin’ny loholon’i Israely, Baiboly Protestanta Malagasy Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin’ny loholon’ny Isiraely. Malagasy Bible Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny Isiraely. La Bible en Malgache Dia niakatra i Mosesy, i Arona, i Nadaba, i Abiho ary fitopolo lahy tamin’ny loholon’ny Israely. |
Ary hoy indray i Mikaià: –Henoy àry ny tenin’ny TOMPO: Hitako nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany manko ny TOMPO; ary ireo anjeliny marobe any an-danitra nijoro teo ankavanany sy teo ankaviany.
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ndeha midina ianao, ka ento miakatra miaraka aminao i Aharôna. Nefa aoka ireo mpisorona sy ny vahoaka tsy hirohotra hiakatra atỳ amiko, fandrao hamely azy ho faty Aho.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara atỳ Amiko etỳ an-tendrombohitra miaraka amin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo amin’ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin’ny tany.
«Ry Mosesy, ampanatòny ho eo akaikinao i Aharôna rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin’ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin’ny fisoronana.
Kanefa ianao tsy mahazo mijery Ahy miatrika, satria tsy misy olona hijery Ahy miatrika ka ho velona.
Tamin’ny taona nahafatesan’i Hozià mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo amin’ny sezafiandrianana avo dia avo; ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjony.
Nefa ny printsy filoha amin’ny maha-filoha azy dia mahazo mihinana ny sakafo masina eo anatrehako. Koa tsy maintsy hiditra sy hivoaka ity vavahady ity izy ary hamakivaky ny lalantsarany.»
Tamin’izay kosa dia samy naka ny fanembohany avy ry i Nadaba sy i Abihò, zanakalahin’i Aharôna, ka nanisy vain’afo teo anatiny sy nametraka vovo-javamanitra teo ambonin’ny vain’afo ary nanolotra izany teo anatrehan’ny TOMPO: zavatra tsy mifanaraka amin’izay nandidian’ny TOMPO azy izany.
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Anangòny fitopolo lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao fa loholona sy tompon’andraikitra amin’ny vahoaka. Ento miaraka aminao ao amin’ny Tranolay fihaonana izy.
Ary hoy i Manôà tamin’ny vadiny: –Tena ho faty tokoa isika, satria nahita an’Andriamanitra.