Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 19:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ndeha midina ianao, ka ento miakatra miaraka aminao i Aharôna. Nefa aoka ireo mpisorona sy ny vahoaka tsy hirohotra hiakatra atỳ amiko, fandrao hamely azy ho faty Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Ary hoy NY TOMPO taminy: Mandehana midina; avy eo dia miakara ianao ka ento miaraka aminao i Arona; fa ny mpisorona sy ny olona kosa dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin’NY TOMPO, fandrao handringana azy ireo Izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ndeha midina ianao, ka ento miakatra miaraka aminao i Aharôna. Nefa aoka ireo mpisorona sy ny vahoaka tsy hirohotra hiakatra atỳ amiko, fandrao hamely azy ho faty Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Ary hoy i Iaveh taminy: «Mandehana midina aloha, izay vao hiakatra indray miaraka amin’i Aarôna: fa ny mpisorona sy ny vahoaka, aoka tsy hihoatra ny faritra hankatỳ amin’i Iaveh fandrao vonoiny».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midina, nefa miakara hianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin’i Jehovah, fandrao haringana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midina, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin'i Jehovah, fandrao haringana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Ary hoy NY TOMPO taminy: Mandehana midina; avy eo dia miakara ianao ka ento miaraka aminao i Arona; fa ny mpisorona sy ny olona kosa dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin’NY TOMPO, fandrao handringana azy ireo Izy!

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 19:24
20 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga teo akaikin’ny famoloan’i Kidôna izy ireo, dia naninji-tanana hihazona ny Vatamasina i Hozà satria saika hazeran’ny omby io.


Farito ny manodidina ny tendrombohitra, ka asaovy mitandrina ny olona mba tsy hianika ny tendrombohitra na hanatona ny sisiny akory, fa izay rehetra manatona ny tendrombohitra dia hatao maty.


Dia nidina nankeo amin’ny vahoaka i Mosesy ary niteny taminy.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara atỳ Amiko etỳ an-tendrombohitra miaraka amin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo amin’ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin’ny tany.


Taorian’izany, dia niakatra teny an-tendrombohitra i Mosesy, niaraka tamin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo tamin’i Israely.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Efa voalazan’ny TOMPO izany, fony Izy nanao hoe: «Izay hanakaiky Ahy dia tiako hanaja ny fahamasinako, ary hanome voninahitra Ahy eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Dia nanao hiram-pisaonana i Aharôna.


Hatramin’ny andro nitorian’i Jôhany Mpanao batisa no mankatỳ, ny Fanjakàn’ny lanitra dia toherina amin’ny alalan’ny herisetra ka ny mpanao herisetra no mitady handrombaka azy.


–Ataovy mihitsy izay hahatafiditra eo amin’ny varavarana èty: fa maro, hoy Aho aminareo, no hitady hiditra nefa tsy ho afaka!


Miafara amin’i Jôhany Mpanao batisa ny andron’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany. Fa manomboka hatreo kosa dia ny Fanjakàn’Andriamanitra no Vaovao Mahafaly torîna, ary samy miezaka hiditra ao ny olona.


satria ny lalàna dia nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


Fa mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra ny lalàna; ka raha tsy misy ny lalàna, dia tsy hisy koa ny fandikan-dalàna.


Inona àry no anton’ny lalàna? Ny lalàna dia zavatra natovana mba hampiharihary ny fandikan-dalàna, mandra-piavin’ilay taranaka iantefan’ny fampanantenana. Fa ny lalàna dia natolotr’anjely teo an-tanan’ny mpanalalana anankiray;


Kanefa voalazan’ny Soratra Masina fa voageja teo ambany fahefan’ny fahotana avokoa izao rehetra izao, hany ka ilay fanomezana nampanantenain’Andriamanitra dia hatolotra an’ireo mino, noho ny finoana niainan’i Jesoa Kristy.


fa ilay Andriamanitsika dia afo mandevona.


Koa aoka isika hatoky hanatona ny sezafiandrianan’Andriamanitra, izay toeram-pahasoavana; eo no hahazoantsika famindrampo ary koa hahitantsika fahasoavana, ka hanampian’Andriamanitra antsika amin’ny fotoana ilantsika izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra