Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 24:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Koa nalain’i Mosesy àry ny ra tao amin’ny lovia, dia nafafiny tamin’ny Israelita sady nataony hoe: –Ity ra ity no manamafy ny fanekempihavanana izay nataon’ny TOMPO taminareo fony Izy nanome ireo didy rehetra ireo ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary nalain’i Mosesy ny ra ka nafafiny tamin’ny olona, sady hoy izy: Indro ny ran’ny fanekena izay nataon’NY TOMPO taminareo ny amin’izany teny rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Koa nalain’i Mosesy àry ny ra tao amin’ny lovia, dia nafafiny tamin’ny Israelita sady nataony hoe: –Ity ra ity no manamafy ny fanekempihavanana izay nataon’ny TOMPO taminareo fony Izy nanome ireo didy rehetra ireo ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Dia nalain’i Môizy ny ra, nafafiny tamin’ny vahoaka sy nolazainy hoe: «Ity no ran’ny fanekena nataon’i Iaveh taminareo momba izany teny rehetra izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary nalain’i Mosesy ny ra ka natopiny tamin’ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran’ny fanekena izay nataon’i Jehovah taminareo ny amin’izany teny rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary nalain'i Mosesy ny rà ka natopiny tamin'ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran'ny fanekena izay nataon'i Jehovah taminareo ny amin'izany teny rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ary nalain’i Mosesy ny ra ka nafafiny tamin’ny olona, sady hoy izy: Indro ny ran’ny fanekena izay nataon’NY TOMPO taminareo ny amin’izany teny rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 24:8
23 Rohy Ifampitohizana  

Nasiako toerana aza teo ho an’ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO tamin’ny razantsika, fony Izy nitondra azy niala tany Ejipta.


Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak’i Mosesy tao fony tany Hôreba, rehefa nanaovan’ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian’ny nialany tany Ejipta.


Saingy nanao teny fitaka hilaza lainga tamin’ny Tompo ireo;


Dia nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ran’ny biby ka nataony tao an-dovia, fa ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara.


Firenen-kafa maro kosa no ho talanjona ny aminy; ka hitampim-bava eo anatrehany aza ireo mpanjaka, satria izay tsy mbola notantaraina taminy no hitany ary izay tsy mbola reny akory no saintsaininy.


Kanefa tsy hitovy amin’ilay fanekempihavanana nataoko tamin’ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan’ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Nandalo teo anilanao indray Aho, ka hitako fa tonga amin’ny taonan’ny fitiavana ianao. Koa narakotro anao ny lambako mba hanarona ny fitanjahanao. Nianiana Aho fa tsy hivadika aminao sady nanao fanekempihavanana taminao, ka Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo.


Ary nangalan’i Mosesy ny menaka fanosorana sy ny ra izay teo ambonin’ny alitara, dia nafafiny tamin’i Aharôna sy ny zanany ary koa tamin’ny fanamiany ka samy voatokana ho an’Andriamanitra i Aharôna sy ny zanany mbamin’ny fanamiany.


araka ny fanekempihavanana nataoko taminareo fony ianareo niala tany Ejipta. Ary hitoetra eo anivonareo ny Fanahiko; koa aza matahotra ianareo.


Dia hoy ny Tompo hoe: «Ny aminareo kosa, ry mponin’i Tsiôna, noho ianareo nanaovako fanekempihavanana izay nohamafisina tamin’ny ran-tsorona, no efa namoahako ny mpigadranao toy ny avy tao an-davaka tsisy rano.


fa ny rako ity, dia ilay ra anorenan’Andriamanitra ny fanekempihavanany sady alatsaka ho an’ny besinimaro ho famelan-keloka.


dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Ny rako ity, dia ilay ra anorenan’Andriamanitra ny fanekempihavanany sady alatsaka ho an’ny besinimaro.


Ary noraisin’i Jesoa toy izany koa ny kalisy taorian’ny sakafo sady nataony hoe: –Ity kalisy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao aorin’Andriamanitra amin’ny rako izay alatsaka ho anareo.]


Taorian’ny sakafo, dia noraisiny toy izany koa ny kaopy masina sady nataony hoe: «Ity kaopy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao, aorin’Andriamanitra amin’ny rako. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro amin’ny kaopy masina ianareo.»


Ny ra nafoin-Janany no nahazoantsika ny fanavotana, dia ny famelana ny hadisoantsika. Izany no nanehoan’Andriamanitra ny harem-pahasoavany,


Nanao fanekempihavanana tamintsika ny TOMPO Andriamanitsika, tany amin’ny tendrombohitra Hôreba.


Hanao ahoana kosa àry izay manao tsinontsinona ilay Zanak’Andriamanitra sy mihevitra fa ny ra iorenan’ny Fanekempihavanana sady nanadiovana azy dia tsy misy hasiny ary maniratsira ny Fanahy Masina nandraisany fahasoavana? Hanao ahoana ny hamafin’ny fampijaliana heverinareo fa tokony hihatra aminy?


Andriamanitra dia efa nitondra an’i Jesoa Tompontsika hiala amin’ny fahafatesana, i Jesoa Tompontsika Izay Mpiandry lehibe miahy ny ondry noho ny ra nafoiny ho antoky ny Fanekempihavanana mandrakizay.


Tamin’izany andro izany dia nanao fanekempihavanana tamin’ny vahoaka tao Sekema i Josoa, ka nanome azy fepetra amam-pitsipika.


Voafidy araka ny efa voatendrin’Andriamanitra Ray ianareo ary voatokana ho Azy noho ny asan’ny Fanahy Masina, mba hanaiky an’i Jesoa Kristy sy hanana anjara amin’ny famafazana ny rany. Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra