Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 10:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Tamin’izay kosa dia samy naka ny fanembohany avy ry i Nadaba sy i Abihò, zanakalahin’i Aharôna, ka nanisy vain’afo teo anatiny sy nametraka vovo-javamanitra teo ambonin’ny vain’afo ary nanolotra izany teo anatrehan’ny TOMPO: zavatra tsy mifanaraka amin’izay nandidian’ny TOMPO azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary i Nadaba sy i Abiho, zanak’i Arona, dia samy naka ny fitondrana afony avy ary nanisy afo tao anatiny sy ditin-kazo manitra teo amboniny, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO, izay tsy nandidiany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tamin’izay kosa dia samy naka ny fanembohany avy ry i Nadaba sy i Abihò, zanakalahin’i Aharôna, ka nanisy vain’afo teo anatiny sy nametraka vovo-javamanitra teo ambonin’ny vain’afo ary nanolotra izany teo anatrehan’ny TOMPO: zavatra tsy mifanaraka amin’izay nandidian’ny TOMPO azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary i Nadaba sy i Abiò, zanak’i Aarôna, samy naka ny fanembohany avy dia nanisy afo tao anatiny, sy nametraka zava-manitra teo amboniny, dia nitondra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh, nefa tsy nahazo didy momba izany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY Nadaba sy Abiho, zanak’i Arona, samy naka ny fitondran-afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’i Jehovah, izay tsy nandidiany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Nadaba sy Abiho, zanak'i Arona, samy naka ny fitondran'afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah, izay tsy nandidiany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary i Nadaba sy i Abiho, zanak’i Arona, dia samy naka ny fitondrana afony avy ary nanisy afo tao anatiny sy ditin-kazo manitra teo amboniny, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO, izay tsy nandidiany azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 10:1
38 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalatsaky ny TOMPO ny afo, ka nandoro ny sorona dorana manontolo sy ny kitay ary ny vato sy ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ny hady.


Ny fivavahako anie hisandratra eo anoloanao toy ny eton’ny vovo-javamanitra! Ny fanandratako tanana anie ho toy ny fanatitra hariva!


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara atỳ Amiko etỳ an-tendrombohitra miaraka amin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo amin’ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin’ny tany.


Taorian’izany, dia niakatra teny an-tendrombohitra i Mosesy, niaraka tamin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo tamin’i Israely.


Halimo koa no hanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.


«Ry Mosesy, ampanatòny ho eo akaikinao i Aharôna rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin’ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin’ny fisoronana.


ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana, ary ny vovo-javamanitra voatokana ho an’ny Toeramasina. Hanaraka tanteraka ny torolalana izay nandidiako anao ny mpahay taozavatra amin’ny fanaovana ireo rehetra ireo.


Mpamboatra zava-manitra no nanao ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana mbamin’ny vovo-javamanitra hodorana eo amin’ny alitara.


Halimo koa no nanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.


ary nodorana teo amboniny ny vovo-javamanitra, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


I Aharôna dia nanambady an’i Eliseba, zanakavavin’i Haminadaba sady anabavin’i Nahasôna; io Eliseba io no niterahan’i Aharôna an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.


Nataon’ny TOMPO izay nangatahin’i Mosesy taminy: nesoriny ny fihitra, ka tsy nisy fihitra tavela intsony na iray aza.


Nanorina toeram-panasinana ho an’i Bahala izy mba handoroany ny zanany ho sorona dorana ho an’i Bahala eo. Nefa zavatra tsy nandidiako azy izany sady tsy noresahiko taminy na mba tonga tao am-poko velively.


Nanorina toeram-panasinana an’i Bahala tao amin’ny lohasahan’i Hinôma izy mba hanolorany ho sorona ho an’i Môleka ireo zanany lahy sy zanany vavy, nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany sady tsy mba tonga tao am-poko velively. Natao izany zavatra maharikoriko izany mba hampanota ny vahoakan’i Joda.


Ireo lehilahy rehetra izay nahalala fa manolotra zava-manitra mifangaro ho an’ireo andriamani-kafa ny vadiny, ary koa ireo vehivavy rehetra izay tafangona nanao fivoriam-be teo, izany hoe ireo olona rehetra izay nipetraka tany Ejipta tao Patrôsa, dia namaly an’i Jeremià hoe:


Moa mitady hampahasosotra Ahy va ianareo amin’ny asan-tananareo sy ny fanoloranareo sorona ho an’ireo andriamani-kafa ao amin’ny tany Ejipta izay ialokalofanareo? Sa tianareo haringana ny tenanareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana any amin’ny firenen-kafa rehetra eran-tany!


Nanorina toeram-panasinana atao hoe Tôfeta tao amin’ny lohasahan’i Hinôma izy mba handoroany ho sorona ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany, sady tsy mba tonga tao am-poko velively.


Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO, taorian’ny nahafatesan’izy roa lahy zanak’i Aharôna, dia izy mirahalahy maty tamin’ny nanatonany hitondra ditin-kazo manitra tsy sahaza teo anatrehan’ny TOMPO.


dia haka fanembohana nofenoina vain’afo avy amin’ilay alitara izay ao amin’ny Toeramasina sy haka vovoka ditin-kazo manitra eran-tanan-droa, ka hitondra izany rehetra izany ao anatin’ny Toeramasina Indrindra.


«Aoka ny mpisorona hitandrina izay fepetra nasaiko tandremany, fandrao hitambesaran-keloka ny amin’izany fanimbazimbana zava-masina izany izy ka ho faty. Izaho no TOMPO, Izay efa nanokana ny mpisorona hanompo Ahy.


nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ny TOMPO ka nandevona ny sorona dorana manontolo sy ny tavin-kena teo ambonin’ny alitara. Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia nanao hobin-kafaliana sady niankohoka.


Fa i Nadaba sy i Abihò dia maty, fony nandoro vovo-javamanitra tsy sahaza teo anatrehan’ny TOMPO.


–Tandremo izay tsy hahafongotra ny tariky ny Kehatita tsy ho isan’ny Levita.


Lasa izany olona izany manompo andriamani-kafa ary miankohoka aminy na amin’ny masoandro na amin’ny volana na amin’ny kintana, nefa zavatra efa norarana tsy hataonareo ireny.


Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo ary aza anesorana; fa tandremo ny didin’ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo.


tao no nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra ary ny vata mirakitra ny Fanekempihavanana, vata voapetaka takela-bolamena manontolo; ary tanatin’io vata io dia nisy ny siny volamena nitahirizana ny mana, ny tehin’i Aharôna izay nitsiry, ary ny vatofisaka nanoratana ny Fanekempihavanana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra