«Vorio hanketo anoloako ny mpivavaka marina, dia ireo nanao sorona fanekempihavanana tamiko.
Eksodosy 24:5 - DIEM PROTESTANTA Naniraka tovolahy israelita izy mba hanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO sady hitondra ombilahy hatao sorom-pihavanana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia naniraka ny zatovo teo amin’ny Zanak’Israely izy ka nitondra fanatitra dorana manontolo ireo sady namono vantotra ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Naniraka tovolahy israelita izy mba hanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO sady hitondra ombilahy hatao sorom-pihavanana. Baiboly Katolika Ary naniraka zatovolahy zanak’i Israely izy, ka nanolotra sorona dorana tamin’i Iaveh izy ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zatovo amin’ny Zanak’Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra odorana ireo ka namono vantotr’ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’i Jehovah. Malagasy Bible Ary ny zatovo amin'ny Zanak'Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr'ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah. La Bible en Malgache Dia naniraka ny zatovo teo amin’ny Zanak’Israely izy ka nitondra fanatitra dorana manontolo ireo sady namono vantotra ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO. |
«Vorio hanketo anoloako ny mpivavaka marina, dia ireo nanao sorona fanekempihavanana tamiko.
Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharôna sy ny loholon’i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra.
Na dia ny mpisorona izay mahazo manatona AHY aza dia tsy maintsy hanoman-tena fandrao mahafaty azy AHO.
Alitara tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ho sorona dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy anareo amin’ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako.