Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 20:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Alitara tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ho sorona dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy anareo amin’ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Alitara tany no hataonao ho Ahy ka eo amboniny no hanoloranao ny fanatitra doranao manontolo sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’osinao sy ny ombinao. Eo amin’ny toerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Alitara tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ho sorona dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy anareo amin’ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Manorena ôtely tany ho ahy, ka eo amboniny no hanoloranao ny sorona doranao, ny sorom-pihavananao, ny ondrinao sy ny ombinao. Hanatona anao sy hitahy anao Aho amin’ny toerana rehetra hanaovako izay hahatsiarovana ny Anarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra odoranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman-osinao sy ny ombinao; eo amin’ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman'osinao sy ny ombinao; eo amin'ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Alitara tany no hataonao ho Ahy ka eo amboniny no hanoloranao ny fanatitra doranao manontolo sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’osinao sy ny ombinao. Eo amin’ny toerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 20:24
44 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.


Nisy nilaza tamin’i Davida mpanjaka fa ny TOMPO efa nitahy ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma sy izay nananany rehetra noho ny amin’ny Vatamasin’Andriamanitra. Dia niainga i Davida nampakatra ny Vatamasin’Andriamanitra avy tao an-tranon’i Hôbeda-Edôma ho any an-tanànan’i Davida.


Aoka hojerenao amin-kamorampo andro aman’alina ity tempoly ity, dia ilay toerana nolazainao fa hampitoeranao ny voninahitrao. Koa mba henoy ny vavaka izay ataoko, rehefa mitodika amin’ity toerana ity aho.


dia mba mihainoa avy any an-danitra toeram-ponenanao Ianao, TOMPO ô, ka manaova araka izay rehetra angatahiny. Izany no hahalalan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany Anao sy hanajany Anao tahaka ny ataon’ny Israelita vahoakanao ary hiekeny fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ity trano naoriko ity.


ka nilazany hoe: –Efa reko ny vavaka amam-pifonana nataonao tamiko; koa efa voatokako ho Ahy ity trano nataonao ity mba hampitoerako mandrakizay ny voninahitro; ka ho ao aminy mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo.


ka nilazany hoe: –Satria nolavinao ny fanomezako, dia avelao aho mba hitondra tany kely zakan’ny boriky roa avy amin’ny taninao; fa izaho tsy mba hanolotra intsony sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana amin’ny andriamani-kafa afa-tsy amin’ny TOMPO ihany.


I Rehabohama mpanjaka dia nanamafy ny fahefàny tao Jerosalema, ka dia nanjaka; feno 41 taona izy fony tonga mpanjaka, ary naharitra 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tanàna nofidin’ny TOMPO tamin’ireo fokon’i Israely rehetra mba hampitoerany ny vonihahiny. Ny anaran-drenin’i Rehabohama dia i Nahamà izay Hamônita.


Fa nifidy an’i Jerosalema Aho hitoeran’ny voninahitro, ary nifidy anao Aho, ry Davida hifehy ilay Israely vahoakako.»


Eny, voafidiko sy natokako ity tempoly ity mba hitoeran’ny voninahitro mandrakizay; ka ho ao mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo.


Ary Andriamanitra Izay efa nampitoetra ny anarany eo amin’io toerana io anie handringana ny mpanjaka sy firenena rehetra izay handika ny didiko ka haninji-tanana handrava io tranon’Andriamanitra any Jerosalema io. Izaho Dariôsa no namoaka ny didy; aoka hotovina an-tsakany sy an-davany izany».


nefa raha miverina amiko ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko, na dia hisy voasesy any am-paran’ny tany aza ianareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho ao amin’ilay toerana voafidiko hiatrehanareo Ahy.»


Hiezaka hiroso amin’ny fahitsiana aho, ka rahoviana no hankatỳ amiko Ianao? Amin-kitsim-po no hiainako ao amin’ny lapam-panjakàko.


He ny tongotray efa mijadona eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.


Hitahy anao avy ao Tsiôna anie ny TOMPO, ka amin’ny andro rehetra iainanao no hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema


Hitahy anareo hatreto Tsiôna anie ny TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany!


Nodorany ilay Toeramasinao; ary nazerany sy nozimbainy ilay trano anajanay Anao.


Fantatra eo amin’i Joda Andriamanitra; lehibe eo amin’i Israely ny lazany.


fa ny fokon’i Joda no voafidiny ary ny tendrombohitra Tsiôna no maminy;


Namaly azy i Mosesy hoe: –Tsia, fa ianao mihitsy no hanolotra eo an-tananay ny biby hataonay sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO Andriamanitray.


Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharôna sy ny loholon’i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin’ny rafozan’i Mosesy teo anatrehan’Andriamanitra.


Fa raha hanao alitara vato ho Ahy ianareo, dia aza atao amin’ny vato voapaika; satria raha mipaika azy amin’ny fandraka ianareo, dia handoto azy.


Nosoratan’i Mosesy avokoa ny tenin’ny TOMPO taminy; ary nony ampitso dia nifoha maraina izy ka nanamboatra alitara iray teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangambato 12, ka iray avy isam-poko tao amin’ny Israely.


Naniraka tovolahy israelita izy mba hanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO sady hitondra ombilahy hatao sorom-pihavanana.


«Hisy alitara fisoronana hamboarina amin’ny hazo mimôzà. Ho efamira izy io, ka mirefy roa metatra sy sasany ny lafy tsirairay, ary iray metatra sy sasany ny haavony.


Samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-dra ny asa soa rehetra mba vitanay. Paohin’ny helokay izahay rehetra toy ny ravin-kazo maina paohin’ny tadio.


ka tsy mitondra azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hatolotra ho an’ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.


Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Satria na aiza na aiza iangonan’olona roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany Aho.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Amin’izay, ilay toerana hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin’ny TOMPO.


Raha lavitra anareo loatra ny toerana hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny, dia azonareo amonoana ny omby sy ondry aman’osy nomen’ny TOMPO anareo, araka izay efa nandidiako anareo, ary hohaninareo ao an-tanànanareo araka izay tianareo izany.


satria ilay toerana hofidiny eo amin’ny fokonareo rehetra mba honenany sy hipetrahan’ny voninahiny no hitadiavanareo Azy, ao ihany no halehanareo.


Dia eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO Andriamanitrareo, eo amin’ny toerana izay hofidiny mba hipetrahan’ny voninahiny, no hihinananareo ny ampahafolon’ny vary sy divay ary menaka vokatry ny taninareo, ary koa hihinananareo ny voalohan-teraky ny omby sy ondry aman’osinareo. Izany no hianaranareo hanaja mandrakariva ny TOMPO Andriamanitrareo.


Hankany amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny ianareo, ary hifaly eo anatrehan’ilay Toeramasin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny tenanareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin’ny Levita izay ao an-tanànanareo ary koa ny vahiny sy kamboty ary mpitondratena izay eo anivonareo.


dia makà ampahan’ny voaloham-bokatra rehetra azonareo avy amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, ka ataovy an-tsobika izany. Dia mankanesa amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hipetrahan’ny voninahiny;


Eny, ho tiany sy hotahîny ary hohamaroiny ianareo; hotahîny ny zaza haterakareo sy ireo vokatry ny taninareo, dia ny varinareo sy ny divainareo ary ny menakareo; hotahîny koa ny vokatry ny fiompianareo, dia ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razambenareo fa homena anareo.


Tiako mba hivavaka ny lehilahy na aiza na aiza, ka hanandra-tanana hanao izany amin’ny fo madio, tsy misy fahatezerana na fifandirana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra