Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 24:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Dia nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ran’ny biby ka nataony tao an-dovia, fa ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ra ka nataony tao anaty lovia, ary ny antsasaky ny ra kosa dia nafafiny teo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Dia nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ran’ny biby ka nataony tao an-dovia, fa ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ra ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny ra kosa natopiny teo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary nalain'i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin'ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ary nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ra ka nataony tao anaty lovia, ary ny antsasaky ny ra kosa dia nafafiny teo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 24:6
22 Rohy Ifampitohizana  

Nolaviny ny lalànan’Andriamanitra sy ny fanekempihavanana izay nataony tamin’ny razany ary ny fampitandremana nananarany azy. Nanenjika zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa; ary nanaraka ny hafa firenena manodidina azy sady efa nandraran’ny TOMPO azy tsy hotahafina.


I Mosesy sy i Aharôna tamin’ireo mpisorony ary i Samoela tamin’ireo mpivavaka aminy dia samy niantso vonjy taminy ka novaliany.


Makà rantsana hisôpa iray fihina ka atsobohy ao amin’ny ran’ny zanakondry ao anaty koveta, dia hosory ra ny tolàm-baravarana roa sy ny tataom-baravaran’ny tranonareo; ary aoka tsy hisy olona hivoaka ny tranony intsony ambara-pahamarainan’ny andro.


Hanalanareo ny rany ka hanosoranareo ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravarana isan-trano hihinanana azy.


Koa nalain’i Mosesy àry ny ra tao amin’ny lovia, dia nafafiny tamin’ny Israelita sady nataony hoe: –Ity ra ity no manamafy ny fanekempihavanana izay nataon’ny TOMPO taminareo fony Izy nanome ireo didy rehetra ireo ho anareo.


Hovonoinao ho faty ilay ondrilahy ary hotantazanao ny rany, dia hafafinao amin’ny lafiny alitara manodidina.


Hovonoinao ho faty ilay ondrilahy, ary hanalanao ny rany ka hatentinao amin’ny tendron-dravintsofina ankavanan’i Aharôna sy ny zanany, ary amin’ny ankiben-tongotra aman-tanany ankavanana avy; avy eo dia hafafinao amin’ny lafin’ny alitara ambony manodidina ny ra sisa.


Kanefa tsy hitovy amin’ilay fanekempihavanana nataoko tamin’ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan’ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Izay mpanolotra no hamono azy eo avaratry ny alitara, eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO: fa ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina eo amin’ny rindrin’ny alitara.


Izy ihany no hamono ilay omby eo anoloan’ny *Toeramasin’ny TOMPO; fa ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hitondra ny ra ka hamafy azy manodidina eo amin’ny rindrin’ny alitara, dia ilay alitara izay eo anoloan’ny Tranolay fihaonana.


Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay omby hatao sorona, ka hamono azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.


Ny mpanolotra no hametra-tanana eo amin’ny lohan’ilay zanakondry ka hamono azy eo anoloan’ny Tranolay fihaonana; ireo taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina amin’ny rindrin’ny alitara.


dia hatsobony ao amin’ny ra ny fanondrony, ka eo anoloan’ny Toeramasina Indrindra izy no hamafy ra impito ny lafin’ilay efitra lamba atrehiny.


Taorian’ny sakafo, dia noraisiny toy izany koa ny kaopy masina sady nataony hoe: «Ity kaopy ity dia ilay fanekempihavanana vaovao, aorin’Andriamanitra amin’ny rako. Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro amin’ny kaopy masina ianareo.»


ary ny ra nafoiny teo amin’ny hazofijaliana no nanaovan’Andriamanitra fampihavanana, ka dia tamin’ny alalany no sitrak’Andriamanitra hampihavanana amin’Izy Ray ny zavatra rehetra na ny eto an-tany na ny any an-danitra.


Ny efa nohatoninareo dia i Jesoa, mpanalalana amin’ny Fanekempihavanana Vaovao, ary koa ny rany nafafy izay miteny tsara lavitra noho ny ran’i Abela.


Nefa tsy mba Fanekempihavanana mitovy amin’izay nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy hivoaka ny tany Ejipta; tsy nahatritra tamin’izany Fanekempihavanana nataoko izany ireo, koa dia tsy niraharaha azy Aho, hoy ny Tompo.


Koa, na ilay Fanekempihavanana voalohany aza, dia tsy nosantarina raha tsy tamin’ny ra nafafy.


Fa nolazain’i Mosesy tamin’ny vahoaka manontolo aloha ny didy rehetra araka ny lalàna; avy eo dia nalainy ny ran-janakomby sy ny ran’osilahy nampiana rano, ka nafafiny tamin’ny bokin’ny lalàna sy tamin’ny vahoaka manontolo; ravina hisôpa sy volonondry mena no namafazany izany.


Nofafazan’i Mosesy ra toy izany koa ny tranolay sy ireo fanaka rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana.


ny nanavotana anareo dia ny ra sarobidy nafoin’i Kristy, toy ny ran-janakondry tsy misy kilema ary tsy misy pentina.


Voafidy araka ny efa voatendrin’Andriamanitra Ray ianareo ary voatokana ho Azy noho ny asan’ny Fanahy Masina, mba hanaiky an’i Jesoa Kristy sy hanana anjara amin’ny famafazana ny rany. Hampitomboina ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra