Farito ny manodidina ny tendrombohitra, ka asaovy mitandrina ny olona mba tsy hianika ny tendrombohitra na hanatona ny sisiny akory, fa izay rehetra manatona ny tendrombohitra dia hatao maty.
Eksodosy 24:2 - DIEM PROTESTANTA Avy eo dia ianao ihany no hanatona AHY, fa ny sisa kosa tsy mahazo manatona; ary ny vahoaka dia tsy hiakatra etỳ an-tendrombohitra miaraka aminareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Mosesy irery no hanakaiky NY TOMPO, fa ireo hafa dia tsy hanakaiky, ary ny olona koa dia tsy hiakatra miaraka aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo dia ianao ihany no hanatona AHY, fa ny sisa kosa tsy mahazo manatona; ary ny vahoaka dia tsy hiakatra etỳ an-tendrombohitra miaraka aminareo. Baiboly Katolika I Môizy irery no hanakaiky an’i Iaveh, fa ireo hafa tsy hanakaiky; ary ny vahoaka tsy hiara-miakatra aminy». Baiboly Protestanta Malagasy nefa Mosesy ihany no hanakaiky an’i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy. Malagasy Bible nefa Mosesy ihany no hanakaiky an'i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy. La Bible en Malgache I Mosesy irery no hanakaiky NY TOMPO, fa ireo hafa dia tsy hanakaiky, ary ny olona koa dia tsy hiakatra miaraka aminy. |
Farito ny manodidina ny tendrombohitra, ka asaovy mitandrina ny olona mba tsy hianika ny tendrombohitra na hanatona ny sisiny akory, fa izay rehetra manatona ny tendrombohitra dia hatao maty.
Dia nijanona teny lavitra teny ny Israelita, fa i Mosesy kosa nanatona ny rahona matevina izay nisy an’Andriamanitra.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara atỳ Amiko etỳ an-tendrombohitra miaraka amin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo amin’ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin’ny tany.
Dia niakatra teo an-tendrombohitr’Andriamanitra i Mosesy, niaraka tamin’i Josoa mpanompony,
Raha mbola nandroso niakatra ny tendrombohitra i Mosesy, dia rakotry ny rahona ny tendrombohitra.
Niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy, ka nanohy niakatra ny tendrombohitra ary nijanona tao an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.
Dia lasa nitatitra tamin’ny Israelita izay rehetra nolazain’ny TOMPO sy nandidiany azy i Mosesy, ka novalian’ny vahoaka manontolo indray niredona hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay avokoa.
Anankiray avy aminareo ihany no ho lehibenareo ary iray avy eto anivonareo ihany no ho mpitarika anareo. Havelako hanatona Ahy izy, fa tsy misy hamono tena hanatona Ahy raha tsy nasaiko hanao izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
Hoy koa ny TOMPO: «Indro Aho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna ka mirifatra mankany amin’ny fonenany; ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ireo Edômita. Ary hapetrako hifehy ao Edôma ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»
ka niteny tamin’i Kôra sy ny namany hoe: –Rahampitso dia hasehon’ny TOMPO izay Azy sy izay masina ary izay afaka manakaiky Azy; dia izay hofidiny no hampanakaikeziny Azy.
Fa ny Toeramasina nataon’olombelona, izay sarintsarin’ny tena izy, no nidiran’i Kristy; fa ny lanitra mihitsy no nidirany mba hahazoany ankehitriny mangataka amin’Andriamanitra ho antsika.