Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 24:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Raha mbola nandroso niakatra ny tendrombohitra i Mosesy, dia rakotry ny rahona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Dia niakatra tao amin’ny tendrombohitra i Mosesy, ary ny rahona dia nanarona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Raha mbola nandroso niakatra ny tendrombohitra i Mosesy, dia rakotry ny rahona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Niakatra tao an-tendrombohitra i Môizy, ary nosaronan’ny rahona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Dia niakatra tao amin’ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Dia niakatra tao amin'ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Dia niakatra tao amin’ny tendrombohitra i Mosesy, ary ny rahona dia nanarona ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 24:15
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Salômôna: «TOMPO ô, efa nilaza Ianao fa honina ao anatin’ny haizim-pito.


Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra. Injany nisy feon’anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby.


Nidina nankeo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an’i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.


Koa hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro hankeo aminao Aho, hiafina ao anatin’ny rahona matevina, mba handrenesan’ny Israelita Ahy miresaka aminao, ka hatokiany anao hatrany hatrany. Dia naverin’i Mosesy teo anatrehan’ny TOMPO ny valin-tenin’ny vahoaka.


Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinay ny voninahitry ny TOMPO, ka ny rahona no nandrakotra azy nandritra ny enina andro. Tamin’ny andro fahafito dia niantso an’i Mosesy tao afovoan’io rahona io Andriamanitra.


Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra