Jeremia 30:21 - DIEM PROTESTANTA21 Anankiray avy aminareo ihany no ho lehibenareo ary iray avy eto anivonareo ihany no ho mpitarika anareo. Havelako hanatona Ahy izy, fa tsy misy hamono tena hanatona Ahy raha tsy nasaiko hanao izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201121 Ary ny lehibeny dia ho avy ao aminy ihany, ny mpanapaka azy koa dia ho avy ao aminy ihany; hampanakaiky azy Aho ka hanatona Ahy izy, fa iza moa no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? Hoy NY TOMPO. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara21 Anankiray avy aminareo ihany no ho lehibenareo ary iray avy eto anivonareo ihany no ho mpitarika anareo. Havelako hanatona Ahy izy, fa tsy misy hamono tena hanatona Ahy raha tsy nasaiko hanao izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Katolika21 Ny iray amin’izy ireo ihany no ho filohany; ary ny avy ao anatiny no ho mpanapaka azy; hasaiko manatona izy, dia hanatona Ahy; fa zovy moa no olona hahay mamboatra ny fony, ka mba hanatona Ahy? - teny marin’i Iaveh. - Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy21 Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, Ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, Fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible21 Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah. Jereo ny toko |
Hoy koa ny TOMPO: «Indro Aho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna ka mirifatra mankany amin’ny fonenany; ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ireo Edômita. Ary hapetrako hifehy ao Edôma ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»
Hoy ny Tompo: «Indro Aho ho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna sy mirifatra mankany amin’ny fonenany ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ny Babilônianina. Ary hapetrako ao Babilôna ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»
Taratra mamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban’Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin’ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin’ny avo indrindra eo ankavanan’ilay Andriamanitra lehibe.