Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 16:5 - DIEM PROTESTANTA

5 ka niteny tamin’i Kôra sy ny namany hoe: –Rahampitso dia hasehon’ny TOMPO izay Azy sy izay masina ary izay afaka manakaiky Azy; dia izay hofidiny no hampanakaikeziny Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 ka niteny tamin’i Kora sy ireo namany rehetra hoe: Rahampitso dia hasehon’NY TOMPO izay Azy sy izay masina ka havelany hanakaiky Azy; koa izay fidiny no havelany hanakaiky Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 ka niteny tamin’i Kôra sy ny namany hoe: –Rahampitso dia hasehon’ny TOMPO izay Azy sy izay masina ary izay afaka manakaiky Azy; dia izay hofidiny no hampanakaikeziny Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 ka niteny tamin’i Kôre sy ny tariny rehetra nanao hoe: «Rahampitso dia hasehon’i Iaveh izay Azy sy izay masina, ka hampanakekeziny Azy: dia izay nofidiny no hampanakekeziny Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 ka niteny tamin’i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon’i Jehovah izay Azy sy izay masina ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 ka niteny tamin'i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon'i Jehovah izay Azy sy izay masina ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 ka niteny tamin’i Kora sy ireo namany rehetra hoe: Rahampitso dia hasehon’NY TOMPO izay Azy sy izay masina ka havelany hanakaiky Azy; koa izay fidiny no havelany hanakaiky Azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 16:5
38 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo nirahiny i Mosesy mpanompony sy i Aharôna ilay voafidiny:


Ry taranak’i Aharôna ô, matokia ny TOMPO. –Heriny sy ampingany Izy!


samy vesaran’ny heloka vitany. Ny hadisoanay tsy zakanay; Ianao kosa no mikosoka azy.


«Ry Mosesy, ampanatòny ho eo akaikinao i Aharôna rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin’ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin’ny fisoronana.


«Ry Mosesy, hampiakanjoinao ireo fanamiana ireo i Aharôna zokinao sy ny zanany lahy ary hohosoranao diloilo ny lohany, dia hapetrakao amin’ny toerany izy; toy izany no hanokananao azy hanompo Ahy amin’ny maha mpisorona azy.


Hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany izany rehefa hiditra ao amin’ny Tranolay fihaonana izy, na manatona eo amin’ny alitara hanao ny raharaha maha mpisorona ao amin’ny Toeramasina. Izany no tsy hahazoany heloka hahafaty azy. Ho fepetra raikitra izany ho an’i Aharôna sy ny taranany.


Anankiray avy aminareo ihany no ho lehibenareo ary iray avy eto anivonareo ihany no ho mpitarika anareo. Havelako hanatona Ahy izy, fa tsy misy hamono tena hanatona Ahy raha tsy nasaiko hanao izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.


Hoy koa ny TOMPO: «Indro Aho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna ka mirifatra mankany amin’ny fonenany; ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ireo Edômita. Ary hapetrako hifehy ao Edôma ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»


Hoy ny Tompo: «Indro Aho ho toy ny liona miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna sy mirifatra mankany amin’ny fonenany ka ao anatin’ny indray mipi-maso no hampandosirako ny Babilônianina. Ary hapetrako ao Babilôna ilay nofidiko ho lehibeny. Koa iza no azo ampitahaina amiko? Iza no sahy hifandahatra amiko? Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»


fa ilay mitodika mianavaratra kosa dia voatokana ho an’ny mpisorona misahana raharaha momba ny alitara. Ary amin’ny fokon’i Levỳ dia ny taranak’i Tsadôka ihany no afa-manatona ny TOMPO mba hanao fanompoam-pivavahana aminy.


Homenao ombilahy iray ny Levita mpisorona, taranak’i Tsadôka, izay hany mahazo manompo Ahy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Ho sorona fanalana ny ota io ombilahy io.


Ho masina io vakim-paritra io eo amin’ny tany fa natokana ho an’ny mpisorona izay manatanteraka ny asa fanompoana ny TOMPO ao an-tempoly. Amin’izay tokoa dia hisy toerana ho an’ny tranon’ireo mpisorona sy toerana voatokana ho an’ny tempoly.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Efa voalazan’ny TOMPO izany, fony Izy nanao hoe: «Izay hanakaiky Ahy dia tiako hanaja ny fahamasinako, ary hanome voninahitra Ahy eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Dia nanao hiram-pisaonana i Aharôna.


–Antsoy i Aharôna sy ny zanany miaraka aminy, hankeo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana; asaovy entina ny fanamiana masina, ny menaka fanosorana, ny ombilahy hatao sorona fanalana ny ota, ny ondrilahy roa ary ny harona nasiana mofo tsy misy leviora.


Ka dia ho hitanareo indray ny fahasamihafan’ny olo-marina sy ny olon-dratsy, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.


Nitangorona nanodidina an’i Mosesy sy i Aharôna izy ireo ka nanao taminy hoe: –Ampy ho anareo izay, fa masina avokoa ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana sady eo afovoany ny TOMPO. Nahoana ianareo no mihevi-tena ho ambonin’ny mambra hafa ao amin’ny fiangonan’ny TOMPO?


Izao no ataovy, ry Kôra sy ianareo namany rehetra: Makà fitaovana fandoroana zava-manitra,


Izany dia fahatsiarovana ho an’ny Israelita mba tsy ho olon-kafa ankoatra ny taranak’i Aharôna no hanatona handoro ny vovo-javamanitra eo anatrehan’ny TOMPO; izay sahy hanao izany dia hiharan’ny nanjo an’i Kôra sy ny namany, araka izay nambaran’ny TOMPO tamin’i Aharôna tamin’ny alalan’i Mosesy.


Dia nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana i Mosesy sy i Aharôna.


Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo sady nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo; hany ka na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray noho ny anarako, dia homeny anareo.


ka hatramin’ny andro nampiakarana Azy ho any an-danitra. Talohan’ny nampiakarana Azy, dia namelany baiko tamin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo nofidiny ho apôstôly.


Ary niara-nivavaka izy rehetra nanao hoe: –Ianao no mahalala ny fon’ny olona tsy an-kanavaka, Tompo ô, ka asehoy izay nofidinao tamin’izy roa lahy ireto,


Indray andro raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sady nifady hanina ny iray Fiangonana, dia hoy ny Fanahy Masina: –Atokàny ho Ahy i Barnabà mbamin’i Saoly hanao ny asa izay niantsoako azy.


Taorian’ny ady hevitra naharitra, dia nitsangana i Petera ka nanao hoe: –Ry rahalahy, fantatrareo fa nofidin’Andriamanitra avy eo aminareo aho, efa ela ihany izay, mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny hafa firenena ka handrenesany sy hinoany azy.


Fa hoy i Hananià: «Efa voafidin’ilay Andriamanitry ny razantsika ianao mba hahafantatra ny sitrapony ary hahita an’ilay hany Marina sy handre ny teny aloaky ny vavany.


Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia efa tonga akaiky, noho ny ra nafoin’i Kristy.


Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady voasokitra eo ny teny hoe: «Fantatry ny Tompo ireo Azy», sy ny hoe «Aoka hiala amin’ny ratsy avokoa ny olona rehetra mitonona ho mpanaja ny Tompo!»


Iezaho ny hahatsara fihavanana amin’ny olona rehetra sy ny hanana toe-piainana masina; fa izay tsy manana toe-piainana masina dia tsy hahita ny Tompo.


ary efa nahatonga antsika ho fanjaka-mpisorona hanompo an’Andriamanitra Rainy. Ho an’i Jesoa Kristy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay! Amen.


eny, tamin’ny fokon’i Israely rehetra, dia ny razambenao Aharôna no nofidiko ho mpisoroko, hitondra ny sorona eo amin’ny alitarako ary handoro vovo-javamanitra ary hisalotra efôda hanontaniana Ahy. I Aharôna sy ny taranany aza dia nomeko anjara tamin’ny sorona naterin’ny Israelita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra