Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 24:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy, ka nanohy niakatra ny tendrombohitra ary nijanona tao an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Dia niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy ka niakatra nankao amin’ny tendrombohitra. Ary nitoetra tao amin’ny tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy, ka nanohy niakatra ny tendrombohitra ary nijanona tao an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Niditra tao anatin’ny rahona i Môizy, dia niakatra tao an-tendrombohitra, ka nijanona teo an-tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Dia niditra tao afovoan’ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin’ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin’ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Dia niditra tao afovoan'ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin'ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Dia niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy ka niakatra nankao amin’ny tendrombohitra. Ary nitoetra tao amin’ny tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 24:18
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny TOMPO hoe: –Mivoaha tao ka mitsangàna eo an-tendrombohitra eo anatrehako fa handalo Aho. Dia nisy rivotra nifofofofo mafy izay nampitresaka ny tendrombohitra ary nanamontsana ny vatolampy teo anatrehan’ny TOMPO; nefa tsy tao amin’izany rivotra izany ny TOMPO. Rehefa nitsahatra ny rivotra, dia nisy horohorontany; nefa tsy tao amin’ny horohorontany ny TOMPO.


Dia nifoha i Elià ka nihinana sy nisotro. Rehefa nahazo hery tamin’izay nohaniny izy, dia nandeha efapolo andro sy efapolo alina hatrany Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.


Nidina nankeo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an’i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.


Toy ny afo mandevona no fahitàn’ny Israelita ny voninahitry ny TOMPO teo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay.


Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:


Nony hitan’ny vahoaka israelita fa tara ny fidinan’i Mosesy avy any an-tendrombohitra, dia nivory teo amin’i Aharôna izy, ka nanao taminy hoe: –Ndeha anaovy andriamanitra iray izahay handeha eo alohanay, satria tsy fantatray izay nanjo an’i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.


Dia nijanona tao niaraka tamin’ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina i Mosesy, nefa tsy nihinana na nisotro; ary izy no nanoratra tamin’ny vatofisaka roa ny didy folo, fototry ny fanekempihavanana.


Dia namaly azy i Mosesy hoe: –Raha vao mivoaka ny tanàna aho, dia hanandra-tanana amin’ny TOMPO hivavaka. Hitsahatra ny kotroka ary tsy hisy intsony ny havandra, mba hahafantaranao fa an’ny TOMPO ny tany.


Dia niala teo anatrehan’ny Farao i Mosesy ary nivoaka ny tanàna. Nanandra-tanana tamin’ny TOMPO izy ka nivavaka dia nitsahatra ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nilatsaka intsony ny orana.


Mandositra ny olon-dratsy na dia tsy misy manenjika azy, fa ny olo-marina kosa matoky tena toy ny liona tanora.


Rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina i Jesoa, dia noana;


ka nijanona efapolo andro tany, nalain’i Satàna fanahy, niara-nonina tamin’ny bibidia, ary notompoin’ny anjely.


efapolo andro sady nalain’ny devoly fanahy, ary tsy nikasika hanina nandritra izany andro izany ka noana tamin’ny farany.


Efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha ihany no nitoerako tany an-tendrombohitra; ary mbola nihaino ahy koa ny TOMPO tamin’ity indray maka ity, ka tsy sitrany hofongorana ianareo.


Fa ianao kosa, mijanona eto anilako ka holazaiko aminao ny didy sy lalàna amam-pitsipika rehetra izay hampianarinao azy mba hotanterahiny any amin’ny tany omeko azy ho fananany.»


Ary niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha indray aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ny fahotana rehetra vitanareo tamin’ny nanaovanareo izay ratsy teo imason’ny TOMPO ka nampahatezeranareo Azy no anton’izany.


Noho ny TOMPO efa nilaza handringana anareo, dia niankohoka teo anatrehany aho ary tsy nitsahatra mihitsy nandritra izany efapolo andro sy efapolo alina izany.


Niakatra tao an-tendrombohitra manko aho handray ny takela-bato, dia ireo takela-bato anankiroa nirakitra ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO taminareo; ary nitoetra efapolo andro sy efapolo alina tao aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra