Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 19:21 - DIEM PROTESTANTA

Ary hoy ny TOMPO taminy: –Ndeha midina ianao hampitandrina ny vahoaka fandrao hirohotra hijery AHY izy ka ho maro no ho faty aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Midìna dia ampitandremo ny olona, fandrao hisisika hankao amin’NY TOMPO izy mba hijery ka ho betsaka ny maty.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy ny TOMPO taminy: –Ndeha midina ianao hampitandrina ny vahoaka fandrao hirohotra hijery AHY izy ka ho maro no ho faty aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Midìna ka rarao mafy ny vahoaka tsy hihoatra ny faritra mankatỳ amin’i Iaveh mba hijery, fandrao hahafatesana maro izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin’i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin'i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Midìna dia ampitandremo ny olona, fandrao hisisika hankao amin’NY TOMPO izy mba hijery ka ho betsaka ny maty.

Jereo ny toko



Eksodosy 19:21
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia tapa-kevitra hanatona i Mosesy mba hizaha io fisehoana mahagaga io hahalalany izay antony tsy ahalevonan’ny roimemy.


Dia hoy ny TOMPO hoe: –Aza manatona ny roimemy! Esory ny kapa amin’ny tongotrao fa tany masina ny toerana ijoroanao.


Kanefa ianao tsy mahazo mijery Ahy miatrika, satria tsy misy olona hijery Ahy miatrika ka ho velona.


Aza maika ny hiteny ary aza malaky manapa-kevitra hanao voady amin’Andriamanitra; fa any an-danitra Andriamanitra ary ianao kosa etỳ ambonin’ny tany. Koa lanjalanjao ny teninao.


Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.


–Tandremo izay tsy hahafongotra ny tariky ny Kehatita tsy ho isan’ny Levita.


Izao no hataonareo aminy mba hahavelona fa tsy hahafaty azy raha manakaiky izay fitaovana masina indrindra izy: i Aharôna sy ny zanany ihany no hametraka azy ireo amin’ny andraikiny sy amin’izay tokony hoentiny avy.


Koa tsy ho avy hijery ny fitaovana masina na dia kely akory aza izy ireo sao maty.


Izaho kosa teo anelanelan’ny TOMPO sy ianareo tamin’izany andro izany mba hanambara aminareo ny tenin’ny TOMPO, satria natahotra teo am-pahitana ilay afo manko ianareo ka tsy niakatra tao an-tendrombohitra. Fa hoy ny TOMPO hoe:


Namely ny mponin’i Betỳ-Semesy ny TOMPO satria nojeren’ireo ny Vatamasina, ka lehilahy fitopolo sy biby fiompy vaventy dimampolo no maty. Koa dia nisaona avokoa ireo olona sisa mbola velona satria namely azy mafy ny TOMPO.