Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 19:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Nidina nankeo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an’i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, teo an-tampon’ny tendrombohitra NY TOMPO; ary niantso an’i Mosesy hankeo an-tampon’ny tendrombohitra NY TOMPO, dia niakatra i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Nidina nankeo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an’i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Nidina i Iaveh nankeo an-tendrombohitra Sinaia, dia teo an-tampon’ny tendrombohitra izany; ary i Iaveh niantso an’i Môizy ho eo an-tampon’ny tendrombohitra, dia niakatra i Môizy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon’ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an’i Mosesy hankeo an-tampon’ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an'i Mosesy hankeo an-tampon'ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, teo an-tampon’ny tendrombohitra NY TOMPO; ary niantso an’i Mosesy hankeo an-tampon’ny tendrombohitra NY TOMPO, dia niakatra i Mosesy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 19:20
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny TOMPO hoe: –Mivoaha tao ka mitsangàna eo an-tendrombohitra eo anatrehako fa handalo Aho. Dia nisy rivotra nifofofofo mafy izay nampitresaka ny tendrombohitra ary nanamontsana ny vatolampy teo anatrehan’ny TOMPO; nefa tsy tao amin’izany rivotra izany ny TOMPO. Rehefa nitsahatra ny rivotra, dia nisy horohorontany; nefa tsy tao amin’ny horohorontany ny TOMPO.


Nidina avy tany an-danitra Ianao dia niteny tamin’ny razanay teo an-tendrombohitra Sinay ary nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fepetra sy didy lavorary.


«Nesoriko teo an-tsorokareo ny entana; ny tananareo afa-namela ny sobika mavesatra.


Aoka izy ho vonona ho amin’ny rahafakampitso, fa amin’io andro io dia ho hitan’ny vahoaka rehetra hidina eo an-tendrombohitra Sinay AHO.


Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin’Andriamanitra. Dia niantso an’i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe: –Izao no hambaranao amin’ny taranak’i Jakôba, dia ny Israelita.


Raha mbola nandroso niakatra ny tendrombohitra i Mosesy, dia rakotry ny rahona ny tendrombohitra.


Niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy, ka nanohy niakatra ny tendrombohitra ary nijanona tao an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.


Mivonòna ianao ho amin’ny rahampitso maraina; ka vao maraina dia miakara any an-tampon’ny tendrombohitra Sinay, ary andraso eo Aho.


Dia nanamboatra vatofisaka roa mitovy amin’ny teo aloha i Mosesy. Ny ampitso vao maraina dia niakatra teny Sinay araka ny baiko nomen’ny TOMPO azy izy, sady nitondra ireo vatofisaka roa.


Tonga avy tany Sinay ny TOMPO, avy tany Sehîra no nisehoany tamin’ny vahoakany, avy tao an-tendrombohitra Paràna no namirapiratany. Otronin’ny anjely alinkisa no nahatongavany; avy teo amin’ny tanan-kavanany no nanjelanjelatra ny lalàna.


Niakatra tao an-tendrombohitra manko aho handray ny takela-bato, dia ireo takela-bato anankiroa nirakitra ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO taminareo; ary nitoetra efapolo andro sy efapolo alina tao aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra