Dia nidina avy any an-danitra ny TOMPO mba hijery ny tanàna sy ny tilikambo izay naorin’ny zanak’olombelona.
Eksodosy 19:18 - DIEM PROTESTANTA Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan’ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin’ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny tendrombohitra Sinay manontolo dia nivoa-tsetroka satria NY TOMPO nidina teo amboniny tao anaty afo; niakatra tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay manontolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan’ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin’ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo. Baiboly Katolika Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo, satria tanaty afo no nidinan’i Iaveh nankeo amboniny, ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra. Malagasy Bible Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra. La Bible en Malgache Ary ny tendrombohitra Sinay manontolo dia nivoa-tsetroka satria NY TOMPO nidina teo amboniny tao anaty afo; niakatra tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay manontolo. |
Dia nidina avy any an-danitra ny TOMPO mba hijery ny tanàna sy ny tilikambo izay naorin’ny zanak’olombelona.
Nony efa nilentika ny masoandro, dia nisy haizim-be mikitroka; ary indro nisy fatana midona-tsetroka sy fanilo mirehitra namaky teo anivon’ireo biby voasasaka.
Ary raha nitodika nijery an’i Sôdôma sy i Gômôra mbamin’ny velaram-paritany manontolo manodidina izy, dia nahita ny setroka niakatra avy ao amin’ny tany toy ny setroky ny lafaoro.
Nidina avy tany an-danitra Ianao dia niteny tamin’ny razanay teo an-tendrombohitra Sinay ary nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fepetra sy didy lavorary.
ny tendrombohitra niantsambotra toa ondrilahy ary ny havoana nitsambikina toa zanakosy.
Aoka ianao, ry tany, hientanentan-kafaliana eo anoloan’ny Tompo, dia ny Andriamanitr’i Jakôba,
Nisy setroka nidonaka avy teo an’orony ary afo mandevona avy teo am-bavany, ka narahina tselatra mandoro izany.
dia nihovotrovotra ny tany, nanorana koa ny habakabaka teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Sinay, teo anoloanao, ry Andriamanitr’i Israely.
Nandrotsaka oram-be ny rahona, namoaka kotro-baratra ny raho-matevina, ary nifanaretsaka ny zana-tsipîkanao.
Tamin’ny firohondrohon’ny kotro-baratrao dia nahazava izao rehetra izao ny tselatra, ary nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipîka. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany.
Nasain’i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin’Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.
Samy nandre ny kotro-baratra sy ny feon’ny anjomara ny Israelita rehetra ary samy nahita ny tsela-baratra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka, hany ka nangovitra noho ny tahotra ary nihataka teny lavitra teny.
Toy ny afo mandevona no fahitàn’ny Israelita ny voninahitry ny TOMPO teo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay.
Tao izy no nisehoan’ny anjelin’ny TOMPO tanaty lelafo teo afovoan’ny roimemy anankiray. Hitan’i Mosesy fa mirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nisy nahalevonana.
Mivonòna ianao ho amin’ny rahampitso maraina; ka vao maraina dia miakara any an-tampon’ny tendrombohitra Sinay, ary andraso eo Aho.
Nipararetra ny fanambanin’ny tokonana noho ny hamafin’ny feon’ireo serafima ireo, sady feno setroka ny trano.
Ho toy ny afo mampirehitra kitay rantsan-kazo na mampangotraka rano anie Ianao; ka ho fantatry ny fahavalonao ny lazanao ary hangovitra eo anatrehanao ny firenen-kafa,
Nojereko ny tendrombohitra ka tsy nahajoro intsony; ary ny havoana rehetra nihozongozona.
Mihorohoro ny tany, rehefa mijadona Izy. Vao jereny ny firenena, dia mangovitra. Torotoro ireo tendrombohitra mandrakizay, mietry ireo havoana fahagola, dia ireo havoana fandalovany taloha.
Dia io lohasaha nampivaky tendrombohitra io no lalana handosiranareo, satria hipaka hatrany Atsala izany. Eny, handositra ianareo, dia tahaka ny razanareo nandositra ny horohorontany tamin’ny andron’i Hozià mpanjakan’i Joda. Ary ho avy ny Tompo Andriamanitro miaraka amin’ireo anjeliny rehetra.
Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ny toerana samihafa.
Tonga avy tany Sinay ny TOMPO, avy tany Sehîra no nisehoany tamin’ny vahoakany, avy tao an-tendrombohitra Paràna no namirapiratany. Otronin’ny anjely alinkisa no nahatongavany; avy teo amin’ny tanan-kavanany no nanjelanjelatra ny lalàna.
Avy tany an-danitra no nampandrenesany anareo ny feony hananarany anareo, ary teto ambonin’ny tany no nanehoany anareo ny afony lehibe; ka tao anatin’izany afo izany no nandrenesanareo Azy niteny.
Ireo didy ireo no nampitain’ny TOMPO tamim-peo mahery tany an-tendrombohitra, avy tao anatin’ny afo sy ny setroka ary ny rahona mikitroka. Ianareo Israelita rehetra izay tafavondrona teo am-bodin’ny tendrombohitra no nampitany azy ary tsy nanampiany na inona na inona. Ireo didy ireo avy eo dia nosoratany tamin’ny takela-bato anankiroa izay natolony ahy.
Tany an-tendrombohitra sady avy tao anatin’ny afo no niteny nifanatrika taminareo ny TOMPO.
ary homeny fialan-tsasatra miaraka aminay ianareo ampahorîna. Ho tonga izany amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Tompo avy any an-danitra, otronin’ireo anjely mitory ny heriny;
voahodidin’afo miredareda Izy no tonga hanasazy ireo tsy mahalala an’Andriamanitra sady tsy manaiky ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa Tompontsika.
Tsy mba tendrombohitra azo tsapain-tanana toy ny an’ny vahoaka Israely tsy akory no efa nohatoninareo, dia ny tendrombohitra Sinay mirehitra afo, rakotra haizina sy rahona mainty, ombàn’orambaratra
Ny feony dia nanozongozona ny tany fahizay; ankehitriny kosa dia mbola mampanantena antsika Izy manao he: «Hohozongozoniko indray mandeha koa, tsy ny tany ihany, fa ny habakabaka koa.»
Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo; ary amin’izany dia hirimorimo mafy ka hanjavona ny habakabaka sady ho levon’ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy, ary hodorana avokoa ny tany sy izay taozavatra ao aminy.
Ary ny tempoly dia feno setroka avy amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny; ka tsy nisy afaka niditra tao amin’ny tempoly, mandra-pahatapitry ny loza fito nentin’ny anjely fito.
Dia nosokafany ny vavalavak’ilay hantsambe, ka nisy setroka niakatra avy ao tahaka ny setroka avoakan’ny lafaoro lehibe; ary nihamaizina ny masoandro sy ny habakabaka noho ny setroka navoakan’ny vavalavaka.
ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao, ry TOMPO niseho tany Sinay; ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely.