Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 15:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Nony efa nilentika ny masoandro, dia nisy haizim-be mikitroka; ary indro nisy fatana midona-tsetroka sy fanilo mirehitra namaky teo anivon’ireo biby voasasaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary rehefa maty ny masoandro ka maizina be ny andro dia indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka niaraka tamin’ny fanilo mirehitra, nandeha namakivaky teo anelanelan’ireo zavatra voasasaka ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Nony efa nilentika ny masoandro, dia nisy haizim-be mikitroka; ary indro nisy fatana midona-tsetroka sy fanilo mirehitra namaky teo anivon’ireo biby voasasaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan’ireo zavatra voasasaka ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary rehefa maty ny masoandro ka maizina be ny andro dia indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka niaraka tamin’ny fanilo mirehitra, nandeha namakivaky teo anelanelan’ireo zavatra voasasaka ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 15:17
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia nentin’i Abrama teo amin’ny TOMPO ireo rehetra ireo, ary nosasahiny teo afovoany afa-tsy ny vorona ka napetrany mifanatrika ny tapany avy.


Nisy setroka nidonaka avy teo an’orony ary afo mandevona avy teo am-bavany, ka narahina tselatra mandoro izany.


Dia nalatsaky ny TOMPO ny afo, ka nandoro ny sorona dorana manontolo sy ny kitay ary ny vato sy ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ny hady.


Teo no nanorenan’i Davida alitara ho an’ny TOMPO; ary nanolotra sorana dorana manontolo sy sorom-pihavanana izy sady niantso ny TOMPO, ka novaliany tamin’ny afo avy tany an-danitra, dia afo izay latsaka teo amin’ny alitara nisy ny sorona dorana manontolo.


Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan’ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin’ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo.


Samy nandre ny kotro-baratra sy ny feon’ny anjomara ny Israelita rehetra ary samy nahita ny tsela-baratra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka, hany ka nangovitra noho ny tahotra ary nihataka teny lavitra teny.


Tsy hangina aho noho ny fitiavako anao, ry Tsiôna ô, ary tsy hitsaha-miteny aho noho ny fitiavako anao, ry Jerosalema, mandra-piposaky ny fanafahana anao ho tahaka ny masoandro mamiratra, ary mandra-pibaliaky ny famonjena anao ho tahaka ny fanilo mirehitra.


izay nandidiako ny razanareo. Fony izy navoakako avy tany Ejipta, avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, no nilazako hoe: Henoy ny feoko, ka araho izay rehetra andidiako anareo; dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo.


Ianareo kosa dia nalain’ny TOMPO ka nentiny niala avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, izany hoe avy tany Ejipta, mba ho vahoaka voatokana ho azy tahaka ny amin’izao anio izao.


dia niakatra ho any an-danitra ny lelafo avy tamin’ny sorona teo amin’ny alitara. Ary hitan’izy roa fa niakatra tao anatin’ny lelafo ilay anjelin’ny TOMPO; koa niankohoka tamin’ny tany izy mivady.


Ary naninji-tanana ilay anjelin’ny TOMPO, ka nokasihiny tamin’ny tendron’ilay tehina teny an-tanany ny hena sy ny mofo tsy nisy leviora; dia nivoaka afo ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo. Avy eo ilay anjelin’ny TOMPO dia nanjavona teo imasony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra