Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 19:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Nasain’i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin’Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary nitondra ny olona niainga avy teo an-toby i Mosesy mba hihaona amin’Andriamanitra; nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Nasain’i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin’Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Nentin’i Môizy nivoaka ny toby ny vahoaka, handeha hihaona amin’Andriamanitra; dia teo ampototry ny tendrombohitra izy ireo no nijanona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin’Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin’ny tendrombohitra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin'Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin'ny tendrombohitra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary nitondra ny olona niainga avy teo an-toby i Mosesy mba hihaona amin’Andriamanitra; nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 19:17
8 Rohy Ifampitohizana  

Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipîka. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany.


Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra. Injany nisy feon’anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby.


Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan’ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin’ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo.


Rehefa nentina teo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny zavatra nandidian’i Mosesy, dia nanatona ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo ka nijanona teo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO.


Rehefa vory ho fiangonana tany an-taniefitra ny vahoaka Israely, dia i Mosesy no teo anelanelan’ireo razantsika sy ilay anjely niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay; ka izy no nandray ny teny mahavelona avy amin’Andriamanitra mba homena antsika.


Aza hadinoinareo ny zavatra hitanareo maso tamin’ny andro nijoroanareo teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo tany an-tendrombohitra Hôreba, fony ny TOMPO nilaza tamiko hoe: «Avondrony ho eto amiko ny vahoaka israelita, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hanajany Ahy amin’ny andro rehetra hiainany eto ambonin’ny tany sady hampianariny ny zanany koa.»


Dia nanatona ianareo ka nijoro teo am-bodin’ny tendrombohitra; nirehitra afo manaka-danitra kosa ilay tendrombohitra sady rakotra setroka mikitroka sy rahona matevina.


Izaho kosa teo anelanelan’ny TOMPO sy ianareo tamin’izany andro izany mba hanambara aminareo ny tenin’ny TOMPO, satria natahotra teo am-pahitana ilay afo manko ianareo ka tsy niakatra tao an-tendrombohitra. Fa hoy ny TOMPO hoe:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra