Eksodosy 19:16 - DIEM PROTESTANTA16 Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra. Injany nisy feon’anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201116 Tamin’ny marainan’ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy tselatra ary rahona matevina teo amin’ny tendrombohitra; nisy koa feon’anjomara mafy dia mafy ka toran-kovitra ny olona rehetra izay teo amin’ny toby. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara16 Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra. Injany nisy feon’anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby. Jereo ny tokoBaiboly Katolika16 Nony marainan’ny andro fahatelo, dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina tao an-tendrombohitra, ary nisy feon’ny anjomara mafy nitatatata, ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy16 Ary nony tamin’ny marain’ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ny tendrombohitra, ary nisy feon’anjomara mafy indrindra, dia tora-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby. Jereo ny tokoMalagasy Bible16 Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache16 Tamin’ny marainan’ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy tselatra ary rahona matevina teo amin’ny tendrombohitra; nisy koa feon’anjomara mafy dia mafy ka toran-kovitra ny olona rehetra izay teo amin’ny toby. Jereo ny toko |
Tsy mba atahoranareo akory ve Izaho TOMPO? Tsy mba mangovitra eo anatrehako ve ianareo? Izaho anefa no nametraka ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy hihoarany: na dia misamboaravoara mafy aza izy dia tsy mahavaky izany fefy izany; na dia mirohondrohona be aza ny onjany, dia tsy afaka mihoatra azy.