Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 20:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Samy nandre ny kotro-baratra sy ny feon’ny anjomara ny Israelita rehetra ary samy nahita ny tsela-baratra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka, hany ka nangovitra noho ny tahotra ary nihataka teny lavitra teny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary nandre ny kotroka sy ny feon’ny anjomara ary nahita ny tselatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka ny olona rehetra, koa nony nahita izany izy ireo dia toran-kovitra sady nijanona terỳ lavitra terỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Samy nandre ny kotro-baratra sy ny feon’ny anjomara ny Israelita rehetra ary samy nahita ny tsela-baratra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka, hany ka nangovitra noho ny tahotra ary nihataka teny lavitra teny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ren’ny olona rehetra ny kotroka sy ny feon’ny trômpetra, hitany ny lelafo sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ka nangovitra sy nijanona teny lavitra teny izy ireo nony nahita izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon’ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia tora-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary nandre ny kotroka sy ny feon’ny anjomara ary nahita ny tselatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka ny olona rehetra, koa nony nahita izany izy ireo dia toran-kovitra sady nijanona terỳ lavitra terỳ.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 20:18
13 Rohy Ifampitohizana  

Nony efa nilentika ny masoandro, dia nisy haizim-be mikitroka; ary indro nisy fatana midona-tsetroka sy fanilo mirehitra namaky teo anivon’ireo biby voasasaka.


Dia namaly izy hoe: –Nandre ny feonao tao an-jaridaina aho, dia natahotra fa mitanjaka, koa dia niery.


«Nesoriko teo an-tsorokareo ny entana; ny tananareo afa-namela ny sobika mavesatra.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Moa Andriamanitra tsy mahita afa-tsy ny akaiky ihany va Aho? Tsia, fa mahita ny lavitra koa Aho.


Izany indrindra no nangatahinareo tamin’ny TOMPO Andriamanitrareo fony ianareo tafavondrona tany Hôreba ka nitenenanareo hoe: «Aoka tsy ny feon’ny TOMPO Andriamanitray intsony no ho henonay, ary aoka tsy ho hitanay intsony izany afo lehibe izany, fandrao maty izahay».


Avy tany an-danitra no nampandrenesany anareo ny feony hananarany anareo, ary teto ambonin’ny tany no nanehoany anareo ny afony lehibe; ka tao anatin’izany afo izany no nandrenesanareo Azy niteny.


Rehefa renareo ilay feo avy tao anatin’ny haizina, fony nirehitra afo manontolo ny tendrombohitra, dia nanatona ahy ireo filohan’ny fokonareo sy ireo loholonareo


Kanefa nahoana izahay no hitolo-batana holevonin’io afo lehibe io ka ho faty? Fa raha mbola mandre ny feon’ny TOMPO Andriamanitsika izahay, dia ho faty mihitsy.


Ianao no aoka hanatona ny TOMPO Andriamanitsika sy hihaino ny zavatra rehetra holazainy; avy eo vao hampitainao aminay ny zavatra rehetra nolazain’ny TOMPO Andriamanitsika taminao, ka hohenoinay sy hotanterahinay izany.»


Izaho kosa teo anelanelan’ny TOMPO sy ianareo tamin’izany andro izany mba hanambara aminareo ny tenin’ny TOMPO, satria natahotra teo am-pahitana ilay afo manko ianareo ka tsy niakatra tao an-tendrombohitra. Fa hoy ny TOMPO hoe:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra