Isaia 64:1 - DIEM PROTESTANTA1 Ho toy ny afo mampirehitra kitay rantsan-kazo na mampangotraka rano anie Ianao; ka ho fantatry ny fahavalonao ny lazanao ary hangovitra eo anatrehanao ny firenen-kafa, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20111 dia tahaka ny fandevon’ny afo ny tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano; mba ho fampahafantarana ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny Jentilisa. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara1 Ho toy ny afo mampirehitra kitay rantsan-kazo na mampangotraka rano anie Ianao; ka ho fantatry ny fahavalonao ny lazanao ary hangovitra eo anatrehanao ny firenen-kafa, Jereo ny tokoBaiboly Katolika1 Tahaka ny afo mampirehitra ny hazo maina, tahaka ny afo mampangotraka ny rano; mba hampahafantaranao ny fahavalonao, ny Anaranao, ka hangovitan’ny firenena eo anatrehanao, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy1 Dia tahaka ny fandevon’ny afo ny tapa-kazo maina Sy ny fampangotraky ny afo ny rano– Mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao, Ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa. Jereo ny tokoMalagasy Bible1 Dia tahaka ny fandevon'ny afony tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa. Jereo ny toko |
Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.
Amin’izany andro izany Izy dia hitsangana eo amin’ny tendrombohitra Analanôliva izay eo atsinanan’i Jerosalema. Ary hitresaka roa ny tendrombohitra Analanôliva ka hisy lohasaha lehibe iray hiseho eo afovoany, manomboka avy any atsinanana no miankandrefana; ny antsasaky ny tendrombohitra dia hifindra hianavaratra, fa ny antsasany kosa hianatsimo.