Notarihin’i Mosesy niala tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara ny Israelita, ka nizotra nankany amin’ny taniefitra Sora. Telo andro nandehanana tany an-taniefitra izy ireo nefa tsy nahita rano.
Eksodosy 17:1 - DIEM PROTESTANTA Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nifindra ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka niala tao amin’ny tany efitra Sina, ho any amin’izay toerana natoron’NY TOMPO hitobiany, ary nitoby tao Refidima nefa tsy nisy rano hosotroiny ny olona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao. Baiboly Katolika Niala tao an’efitra Sina ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny dia nandidian’i Iaveh azy, dia nitoby tao Rafidima, ka tsy nahita rano hosotroina tao ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron’i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin’ny olona. Malagasy Bible Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron'i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin'ny olona. La Bible en Malgache Ary nifindra ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka niala tao amin’ny tany efitra Sina, ho any amin’izay toerana natoron’NY TOMPO hitobiany, ary nitoby tao Refidima nefa tsy nisy rano hosotroiny ny olona. |
Notarihin’i Mosesy niala tao amin’ny Ranomasin’ny Volotara ny Israelita, ka nizotra nankany amin’ny taniefitra Sora. Telo andro nandehanana tany an-taniefitra izy ireo nefa tsy nahita rano.
Niala tao Elima ny vahoaka Israelita manontolo, ka tonga tao amin’ny taniefitra Sina, eo anelanelan’i Elima sy ny tendrombohitra Sinay, tamin’ny volana faharoa, andro faha-15 taorian’ny nialany tany Ejipta.
Niala tao Refidima manko izy ireo ka nitsofoka tao an-taniefitr’i Sinay, dia nitoby tao an-taniefitra, tandrifin’ny tendrombohitra Sinay.
Rehefa tsy nisy intsony ny rano ho an’ny fiangonana, dia nitangoronany i Mosesy sy i Aharôna
Isaky ny miakatra miala amin’ny Tranolay ny rahona, dia miainga ny Israelita, ary eo amin’izay ijanonan’ny rahona no itobiany indray.
Baikon’ny TOMPO no nitobiany, ary baikon’ny TOMPO no niaingany. Nitandrina ny fanompoana ny TOMPO araka ny baiko nomeny tamin’ny alalan’i Mosesy izy ireo.