Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 9:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Isaky ny miakatra miala amin’ny Tranolay ny rahona, dia miainga ny Israelita, ary eo amin’izay ijanonan’ny rahona no itobiany indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Rehefa niakatra niala tamin’ny tranolay ny rahona dia niainga ny Zanak’Israely ka teo amin’izay nijanonan’ny rahona no nitobiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Isaky ny miakatra miala amin’ny Tranolay ny rahona, dia miainga ny Israelita, ary eo amin’izay ijanonan’ny rahona no itobiany indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Nony nisondrotra niala tamin’ny trano lay ny rahona, dia niainga nifindra toby ny zanak’i Israely; ary eo amin’izay ijanonan’ny rahona no itobiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary rehefa niakatra niala tamin’ny trano-lay ny rahona, dia niainga ny Zanak’Isiraely, ka teo amin’izay nijanonan’ny rahona no nitobiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary rehefa niakatra niala tamin'ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak'Isiraely, ka teo amin'izay nijanonan'ny rahona no nitobiany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 9:17
12 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ny Tompo hoe: «Hampianariko ianao sady hotondroiko ny lalan-kalehanao, hotoroako hevitra sy harahiko maso:


Ny torohevitrao no itarihanao ahy; avy eo aho dia horaisinao ho any amin’ny voninahitrao.


Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao.


Tsy ho noana sady tsy hangetaheta ireo ary tsy hampaninona azy akory na ny rivo-mahamay na ny masoandro, satria am-pitiavana no hitarihako azy ary any amin’ny loharano miboiboika no hitondrako azy hiala hetaheta.


Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.


Izaho no vavahady: raha amin’ny alalako no idiran’ny ondry, dia hovonjena izy ary ho afa-miditra sy mivoaka ny vala sady hahita tanim-bilona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra