Tsarovy ny asa mahagaga nataony, dia ny zava-mahatalanjona vitany sy ny didim-pitsarana navoakany,
Eksodosy 16:32 - DIEM PROTESTANTA Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO: «Fenoy mana ny vata hômera iray mba hotehirizina ho an’ny taranakareo. Amin’izay dia mba ho hitany ny mofo izay nomeko hohaninareo tany an-taniefitra fony Aho namoaka anareo hiala tany Ejipta.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Mosesy: Izao zavatra izao no nandidian’NY TOMPO: Mamenoa vata omera iray mba hotahirizina hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-tany efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta Aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO: «Fenoy mana ny vata hômera iray mba hotehirizina ho an’ny taranakareo. Amin’izay dia mba ho hitany ny mofo izay nomeko hohaninareo tany an-taniefitra fony Aho namoaka anareo hiala tany Ejipta.» Baiboly Katolika Hoy i Môizy: «Izao no didin’i Iaveh: Fenoy izany ny gômôra iray, ka tahirizo ho an’ny taranakareo, mba hahitany ny mofo namelomako anareo tatỳ an’efitra raha namoaka anareo avy any amin’ny tany Ejipta Aho.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian’i Jehovah: Analao eran’ny vata omera izy hotehirizina hatramin’ny taranakareo fara mandimby mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta Aho. Malagasy Bible Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah: Analao eran'ny vata omera izy hotehirizina hatramin'ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Aho. La Bible en Malgache Ary hoy i Mosesy: Izao zavatra izao no nandidian’NY TOMPO: Mamenoa vata omera iray mba hotahirizina hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-tany efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta Aho. |
Tsarovy ny asa mahagaga nataony, dia ny zava-mahatalanjona vitany sy ny didim-pitsarana navoakany,
Ary izao no zavatra nandidian’ny TOMPO anareo: «Samia manangona izay tokony ho sahaza azy avy; manangòna ankevitry ny inefatry ny zingan-drano isan’olona, araka ny isan’ny olona miara-belona ao amin’ny isan-dainy avy.»
Nataon’ny Israelita hoe mana ny anaran’izany sakafo izany. Mitovy amin’ny voarafy izy sady fotsy, ary tahaka ny mofo misy tantely ny tsirony.
Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Makà siny tany ka asio mana inefatry ny zingan-drano, dia apetraho eo anatrehan’ny TOMPO mba hotahirizina ho an’ny taranakareo.
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy izay lazaiko, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho vahoakako. Araho ny lalàna izay nandidiako anareo, dia hahita soa ianareo.
Notahitahîko ny fitarihana azy tamin’ny mahazakam-pitiavana; ary ho azy Aho dia toy ny reny izay manainga ny zanany hatehika amin’ny takolaka sady niondrika namahana azy.
Avy eo nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny apôstôly ka nataony hoe: –Ny tenako ity [izay omena ho anareo. Izany atao ho fahatsiarovana Ahy.
Izany no tokony hitandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao voatarika hiala amin’izany isika.
tao no nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra ary ny vata mirakitra ny Fanekempihavanana, vata voapetaka takela-bolamena manontolo; ary tanatin’io vata io dia nisy ny siny volamena nitahirizana ny mana, ny tehin’i Aharôna izay nitsiry, ary ny vatofisaka nanoratana ny Fanekempihavanana.