Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 7:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy izay lazaiko, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho vahoakako. Araho ny lalàna izay nandidiako anareo, dia hahita soa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ho oloko ianareo ka handeha amin’ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy izay lazaiko, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho vahoakako. Araho ny lalàna izay nandidiako anareo, dia hahita soa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Fa ny amin’ny didy nomeko azy ireo, dia izao no nolazaiko taminy: Mihainoa ny feoko; ary Izaho no Andriamanitrareo, ary ianareo no vahoakako; mizora amin’ny lalana rehetra handidiako anareo, mba ho sambatra ianareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko, Dia ho Andriamanitrareo Aho, Ary hianareo ho oloko Ka handeha amin’ny làlana rehetra nandidiako anareo, Mba hahitanareo soa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ho oloko ianareo ka handeha amin’ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 7:23
38 Rohy Ifampitohizana  

Raha mety mihaino an’Andriamanitra izy, dia amin’ny fahasambarana sy ny hamamiana no handaniany ny androny sy ny taonany.


Eny, tsy mba manao ratsy ireo fa manaraka ny sori-dalan’Andriamanitra.


TOMPO Andriamanitro ô, maro tokoa ny zava-mahagaga izay nataonao; ka tsy misy azo ampitahaina aminao! Ary ny hevitra anasoavanao anay dia maro loatra ka tsy tambo isaina, tsy ary ho voatanisako na ho voalazako.


koa navelako izy hizotra amin’ny ditran’ny fony sy hanaraka izay tiany hatao.


Hoy Izy taminy: «Raha ankatoavinareo tokoa Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka ataonareo izay heveriko ho marina, raha henoinareo ny didiko, ka tandremanareo ny fitsipiko dia tsy hisy hataoko aminareo ny aretina rehetra izay namelezako ny Ejiptianina, satria Izaho no TOMPO Izay manasitrana anareo.»


Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO: «Fenoy mana ny vata hômera iray mba hotehirizina ho an’ny taranakareo. Amin’izay dia mba ho hitany ny mofo izay nomeko hohaninareo tany an-taniefitra fony Aho namoaka anareo hiala tany Ejipta.»


Sambatra ny olo-marina fa hahita soa izy, ka ny vokatry ny asany no hohaniny.


izay nandidiako ny razanareo. Fony izy navoakako avy tany Ejipta, avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, no nilazako hoe: Henoy ny feoko, ka araho izay rehetra andidiako anareo; dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo.


Fa nananatra mafy ny razanareo aho hatramin’ny andro izay nampiakarako azy hiala tany Ejipta ary manao izany mandraka androany; eny, nananatra tsy an-kiato aho milaza hoe: henoinareo izay lazaiko.


Toy ny amatoran’ny olona ny fehikibo amin’ny kibony, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, no nifatorako tamin’ny vahoakan’i Israely sy ny vahoakan’i Joda rehetra mba hahatonga azy ho vahoakako sy ho lazako, ho voninahitro sy ho firavako. Kanjo tsy nety nihaino Ahy izy.»


Efa nampitandrina anao Aho fony ianao nandry fahalemana nefa novalianao hoe: «Tsy te hihaino aho.» Fanaonao hatramin’ny fahazazana izany ka tsy nety nihaino ny feoko mihitsy ianao.


Izao no lazain’ny TOMPO: Mampihara ny rariny sy ny hitsiny, afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany. Aza mampijaly na misetrasetra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena; ary aza mamono ho faty ny tsy manan-tsiny amin’ity toerana ity.


Homeko azy ny fo miaiky fa Izaho no TOMPO. Hiverina amiko amin’ny fony manontolo ireo; ka ho vahoakako izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny.


Fa izao no fanekempihavanana hataoko amin’ny vahoakan’i Israely, aorian’izany andro izany: Hapetrako ao an’eritreriny ny lalànako ary hosoratako ao am-pony, ka ho Andriamaniny Aho ary izy ho vahoakako. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Tonga teto tokoa izy ary naka ny tany ho fananany; saingy tsy nihaino izay nolazainao izy, ary tsy nanaraka ny lalànao sady tsy nanatanteraka ny zavatra rehetra nasainao nataony; koa izany no nampiharanao izao loza rehetra izao aminy.


Fa hoy i Jeremià taminy: –Tsia, tsy hisy hanolotra anao aminy fa ankatoavy ny tenin’ny TOMPO izay lazaiko aminao, dia ho tsara aminao ny toe-javatra ary ho velona ny ainao.


Naniraka anao hanontany ny TOMPO Andriamanitsika izahay. Koa hotanterahinay izay rehetra asainy hataonay, na tianay na tsy tianay; ary handeha tsara ho anay ny zavatra rehetra, satria mankatò ny feon’ny TOMPO Andriamanitsika izahay.


Tsy nohenoiny ny tenin’ny TOMPO tsy noraisiny ny fampitandremany! tsy nametra-pitokiana taminy izy; ilay Andriamaniny tsy nohatoniny.


Hisy koa olona avy lavitra ho tonga hanampy amin’ny fanamboarana ny tempolin’ny TOMPO. Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Ho tonga izany, raha mankatò ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo.


Fahiny efa niteny toy izany tamin’ny alalan’ireo mpaminany ny TOMPO, fony mbola nandry fahalemana ny mponin’i Jerosalema sy ny tanàna manodidina, ary mbola nonenana koa ny faritany atsimo sy ny lemak’i Sefelà.


Ankehitriny kosa, izany tsiambaratelo izany dia naharihary tamin’ny alalan’ny soratr’ireo mpaminany, araka ny didin’ilay Andriamanitra mandrakizay, ary nampahafantarina ny firenen-drehetra mba hitarihana azy ireo hino sy hanaiky an’i Kristy.


sy feno avonavona rehetra, izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary babonay hanaiky an’i Kristy ny olona rehetra mahitsy fieritreretana.


Hotahîna ianareo raha mankatò ireo didin’ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo anio;


dia aza henoinareo ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany. Mizaha toetra anareo manko ny TOMPO Andriamanitrareo hahalalany raha tia Azy TOMPO Andriamanitra amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo ianareo.


Ilay TOMPO Andriamanitrareo no harahinareo sy hohajainareo; ny didiny no hotandremanareo, ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.


ka hiverina amin’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo; eny, hanaiky Azy ianareo sy ny taranakareo, hanaiky Azy amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo araka ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo anio.


Tiavo ny TOMPO Andriamanitrareo ka ekeo sy ifikiro, fa izany no hahavelona anareo sy hahamaro ny andro honenanareo any amin’ny tany izay nianianan’ny TOMPO tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo fa homena azy.


Dia hanaiky ny TOMPO indray ianareo ka hanatanteraka ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio.


Aza hadinoinareo ny zavatra hitanareo maso tamin’ny andro nijoroanareo teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo tany an-tendrombohitra Hôreba, fony ny TOMPO nilaza tamiko hoe: «Avondrony ho eto amiko ny vahoaka israelita, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hanajany Ahy amin’ny andro rehetra hiainany eto ambonin’ny tany sady hampianariny ny zanany koa.»


Dia tandremo ny lalànany sy ny didiny izay ampitaiko aminareo anio, mba hahita soa ianareo sy ny taranaka amam-paranareo ary mba ho maro andro ianareo any amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin’ny taona rehetra.


«Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidiako anao, mba ho maro andro iainana ianao ary mba hahita soa any amin’ny tany omeko anao.


Enga anie io vahoaka io mba ho tapa-kevitra mandrakariva toy izany hanaja Ahy sy hitandrina ny didiko rehetra, mba ho sambatra hatrany hatrany izy sy ny taranany.


Fa ny lalana rehetra izay nosoritan’ny TOMPO Andriamanitrareo ho anareo no halehanareo mba ho velona ianareo ka hahita soa ary ho maro andro iainana any amin’ny tany izay halainareo ho fananana.


Henoy izany, ry vahoaka Israely, ary imasoy ny hanatanteraka azy, mba ho sambatra sy hitombo isa ianareo any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nampanantenain’ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo taminareo.


Nony efa tonga amin’izay fanaperana Izy, dia zary loharanom-pamonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manoa Azy,


Dia hoy indray i Samoela hoe: –Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran’ondrilahy ny fanekena Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra