Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 11:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Notahitahîko ny fitarihana azy tamin’ny mahazakam-pitiavana; ary ho azy Aho dia toy ny reny izay manainga ny zanany hatehika amin’ny takolaka sady niondrika namahana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Tamin’ny tady fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana. Toy izay manainga ny zioga eo ambonin’ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Notahitahîko ny fitarihana azy tamin’ny mahazakam-pitiavana; ary ho azy Aho dia toy ny reny izay manainga ny zanany hatehika amin’ny takolaka sady niondrika namahana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Nentiko tamin’ny kofehy fitondrana olona izy ireo, dia tamin’ny fatoran’ny fitiavana; mova Aho tsy ilay nanainga ny jioga ho azy, eo ambonin’ny valanoranony, ary niondrika taminy sy nampihinana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Tamin’ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin’ny valanoranony Aho Ka nanolo-kanina azy tsimoramora.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Tamin'ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin'ny mahazakan'ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin'ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Tamin’ny tady fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana. Toy izay manainga ny zioga eo ambonin’ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 11:4
14 Rohy Ifampitohizana  

Izaho ho rainy ary izy ho zanako. Raha manao ratsy izy, dia hofaiziko araka ny fomban’ny olona sy amin’ny loza mahavoa ny olombelona.


Nangataka ireo, dia nandefasany papelika; ary mofo avy any an-danitra no namokisany azy.


Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: –Izao no zavatra nandidian’ny TOMPO: «Fenoy mana ny vata hômera iray mba hotehirizina ho an’ny taranakareo. Amin’izay dia mba ho hitany ny mofo izay nomeko hohaninareo tany an-taniefitra fony Aho namoaka anareo hiala tany Ejipta.»


Ento aho hanaraka anao, ary aoka isika hihazakazaka. Dia ianao mpanjakako no hampiditra ahy an’efitranonao. Aoka isika, noho ny aminao, hiara-tsambatra sy hiara-paly; dia hankamamiantsika anie ny safosafonao izay fy mihoatra noho ny divay. Marina ny itiavan’ireo zatovovavy anao!


tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.


Noho izany, Izaho TOMPO hamefy tsilo ny lalany ka hanampina izany; ary tsy hahita izay halehany izy.


Izaho no TOMPO Andriamanitrareo, Ilay namoaka anareo hiala tany Ejipta mba tsy hanandevozany anareo intsony; notapahiko ny zioga izay teo aminareo mba hitrakanareo fandeha.


Ary Izaho, rehefa voasandratra avy eo amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.


Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty hamonjy ny olona rehetra ny olona anankiray; noho izany, nandalo fahafatesana koa izy rehetra.


Ny TOMPO irery no nitarika ny vahoakany; tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy.


novokisany mena-drononon’omby, sy rononon’ondry aman’osy izy, nofahanany henan-janakondry sy ondrilahy matavy aman’osilahy ary notolorany vary tsara indrindra sy ranom-boaloboka ho divay fisotro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra