Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 11:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Izaho no nampiana-mandeha an’i Efraîma sady nitondra azy an-trotroana. Kanefa tsy fantany fa Izaho no nikarakara azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Izaho no nampianatra an’i Efraima handeha; eny, noraisiko tamin’ny tanany aza izy, nefa odiany tsy fantatra fa Izaho no nikarakara azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Izaho no nampiana-mandeha an’i Efraîma sady nitondra azy an-trotroana. Kanefa tsy fantany fa Izaho no nikarakara azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ary Izaho nampiana-mandeha an’i Efraima, sy nitantana azy tamin’ny sandriny, nefa tsy fantany fa nanolikoly azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Fa Izaho no nampianatra an’i Efraima handeha– Eny, notrotroiko tamin’ny sandriko aza izy– Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Fa Izaho no nampianatra an'i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin'ny sandriko aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Izaho no nampianatra an’i Efraima handeha; eny, noraisiko tamin’ny tanany aza izy, nefa odiany tsy fantatra fa Izaho no nikarakara azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 11:3
20 Rohy Ifampitohizana  

nandefasany ny teniny, dia sitrana ary notsoahany tao anaty lavaka.


Hoy Izy taminy: «Raha ankatoavinareo tokoa Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka ataonareo izay heveriko ho marina, raha henoinareo ny didiko, ka tandremanareo ny fitsipiko dia tsy hisy hataoko aminareo ny aretina rehetra izay namelezako ny Ejiptianina, satria Izaho no TOMPO Izay manasitrana anareo.»


«Efa hitanareo izay nanaovako ny Ejiptianina, efa hitanareo koa ny nitondrako anareo atỳ ho eto anilako toy ny itondran’ny voromahery ny zanany eo amin’ny elany.


Izaho TOMPO Andriamanitrareo irery ihany no hivavahanareo; amin’izay Aho dia hitahy anareo ka hanome anareo sakafo sy fisotro, sady hampanalavitra ny aretina aminareo.


Mihainoa, ry lanitra, ary mandrenesa, ry tany, satria ny TOMPO no miteny hoe: «Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka Aho; kanjo nikomy tamiko izy.


Amin’ny andro hitsaboan’ny TOMPO ireo ratra nanjo ny vahoakany sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy, ny fahazavàn’ny volana dia ho tahaka ny an’ny masoandro, ary ny fahazavàn’ny masoandro dia hamiratra ho impito heny raha oharina amin’ny hazavàny isan’andro.


Mihainoa Ahy TOMPO, ry taranak’i Jakôba, dia ianareo rehetra sisa velona amin’ny taranak’i Israely, ianareo izay nokarakaraiko hatrany am-bohoka sy notrotroiko raha vao teraka.


tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.


Satria ireo efa niantso anao hoe: «Ry ilay tsy misy ilana azy,» «ry Tsiôna tsy misy miahy akory», koa hositraniko ny ratranao ary hohamainiko ny ferinao; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.».


Moa tsy misy balisama mampitony na dokotera ve any Gilehada? Nahoana no tsy mety sitrana ny ratran’ny fireneko?


Tsy i Asiria no hahavonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay; ary tsy amin’ny sampy asan-tananay intsony no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›; fa Ianao no mamindrafo amin’ny kamboty.»


Noho izany, Izaho TOMPO hamefy tsilo ny lalany ka hanampina izany; ary tsy hahita izay halehany izy.


ka te hanasitrana an’i Israely, dia miseho amiko ny heloky ny Efraîmita sy ny haratsian’ny olon’i Samaria. Fa manao fisolokiana ireo; miditra an-trano ny mpangalatra, manendaka an-dalambe ny jiolahy.


Izaho no nanazatra sy nampatanjaka ny sandriny; nefa izy kosa ny amiko dia nisaintsain-dratsy hatrany.


Tany an-taniefitra dia nahari-po taminy nandritra ny 40 taona eo ho eo Andriamanitra,


sy tatỳ an-taniefitra; efa hitanareo fa nentin’ny TOMPO Andriamanitrareo tahaka ny fitòndran’ny olona ny zanany ianareo, tany amin’ny lalana rehetra nalehanareo, mandra-pahatonganareo amin’ity toerana ity.»


Andriamanitra, hatrizay hatrizay, no fialofana; ny heriny, hatrany hatrany, no miasa etỳ ambany etỳ. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy ary mandidy anao handringana an’ireo.


Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo tatỳ an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin’izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra