Nidina avy tany an-danitra Ianao dia niteny tamin’ny razanay teo an-tendrombohitra Sinay ary nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fepetra sy didy lavorary.
Eksodosy 16:23 - DIEM PROTESTANTA ka hoy i Mosesy hoe: –Izany indrindra no nandidian’ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an’ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Mosesy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO: Tena andro fitsaharana masina ho an’NY TOMPO rahampitso; koa manendasa izay hendasinareo ary mahandroa izay hahandroinareo, nefa izay sisa rehetra dia avelao hotahirizina ho tra-maraina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka hoy i Mosesy hoe: –Izany indrindra no nandidian’ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an’ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina. Baiboly Katolika «Izany no nasain’i Iaveh atao, andro fitsaharana rahampitso, andro sabata, voatokana ho an’i Iaveh; ka endaso amin’ny lafaoro izay hendasinareo, andrahoy izay handrahoinareo, ary tahirizo ny sisa rehetra, avelao ho ampitso maraina». Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain’i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an’i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina. Malagasy Bible Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain'i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an'i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina. La Bible en Malgache Hoy i Mosesy tamin’ireo: Izao no lazain’NY TOMPO: Tena andro fitsaharana masina ho an’NY TOMPO rahampitso; koa manendasa izay hendasinareo ary mahandroa izay hahandroinareo, nefa izay sisa rehetra dia avelao hotahirizina ho tra-maraina. |
Nidina avy tany an-danitra Ianao dia niteny tamin’ny razanay teo an-tendrombohitra Sinay ary nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fepetra sy didy lavorary.
Tamin’ny alalan’i Mosesy mpanomponao no nampahalalanao azy ny Sabata izay andro voatokana ho Anao sy nanoloranao azy didy sy fepetra ary lalàna.
«Enina andro no hanaovanareo ny raharahanareo fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra ianareo mba hahazoan’ny ombinareo sy ny borikinareo miala sasatra, ary mba hahazoan’ny mpanomponareo sy ny vahiny maka aina.
Misy andro enina hiasana isan-kerinandro, fa ny andro fahafito dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho Ahy TOMPO. Koa izay olona rehetra miasa amin’ny andro sabata dia hovonoina ho faty.
Aza mitondra entana mivoaka ny tranonareo amin’ny andro sabata na manao raharaha akory amin’izany; fa atokany ho Ahy ny andro sabata tahaka izay efa nandidiako ny razanareo.
«Andro enina no hanaovan-draharaha; fa ny fahafito dia sabata tena andro fitsaharana, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo. Aza manao raharaha akory ianareo, fa sabata hanajana Ahy TOMPO izany, na aiza na aiza onenanareo.
Amin’ny alina no nilatsaka teo amin’ny toby miaraka amin’ando izy. Amin’ny maraina kosa dia miparitaka manangona azy ny olona; totoina amin’ny vatobe fikosehana na amin’ny laona izany, dia ahandroina amin’ny vilany na atao mofo. Mitovy amin’ny an’ny mofomamy misy menaka ny tsirony.
Avy eo dia nody izy ireo ary nanomana zava-manitra sy ilomanitra, fa tamin’ny sabata dia niala sasatra araka ny lalàna.
«Mitandrema ny andro sabata mba hanokananao azy ho Ahy TOMPO Andriamanitrao, araka izay nandidiako anao.
Nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina aho tamin’ny andron’ny Tompo, ka nahare feo mahery tao ivohoko, dia feo mahery tahaka ny feon-trompetra