Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 11:8 - DIEM PROTESTANTA

8-9 Amin’ny alina no nilatsaka teo amin’ny toby miaraka amin’ando izy. Amin’ny maraina kosa dia miparitaka manangona azy ny olona; totoina amin’ny vatobe fikosehana na amin’ny laona izany, dia ahandroina amin’ny vilany na atao mofo. Mitovy amin’ny an’ny mofomamy misy menaka ny tsirony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia samy nandehandeha ny olona ka nanangona ary nanodina izany tamin’ny fikosoham-bary na nitoto izany tamin’ny laona dia nahandroiny tamin’ny vilany ka nanaovany mofo; ny tsirony indray dia sahala amin’ny tsiron’ny mofo misy diloilo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8-9 Amin’ny alina no nilatsaka teo amin’ny toby miaraka amin’ando izy. Amin’ny maraina kosa dia miparitaka manangona azy ny olona; totoina amin’ny vatobe fikosehana na amin’ny laona izany, dia ahandroina amin’ny vilany na atao mofo. Mitovy amin’ny an’ny mofomamy misy menaka ny tsirony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Nihahaka nanangona azy ny vahoaka, dia nanorotoro azy tamin’ny vato fitotoam-bary, na nitoto azy tamin’ny laona, dia nahandro azy tamin’ny vilany sy nanao mofo aminy. Sahala amin’ny mofomamy misy diloilo ny tsirony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin’ny fikosoham-bary na tamin’ny laona, ary nahandro azy tamin’ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Nandehandeha ny olona ka nanangona azy, dia nitoto azy tamin'ny fikosoham-bary na tamin'ny laona, ary nahandro azy tamin'ny vilany, dia nanao mofo azy; ary ny fanandramana azy dia tahaka ny fanandramana mofo misy diloilo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia samy nandehandeha ny olona ka nanangona ary nanodina izany tamin’ny fikosoham-bary na nitoto izany tamin’ny laona dia nahandroiny tamin’ny vilany ka nanaovany mofo; ny tsirony indray dia sahala amin’ny tsiron’ny mofo misy diloilo.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 11:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Teo am-pandrahoana sakafo indrindra i Jakôba indray andro, no tonga avy any an-tsaha i Hesao sady reraka mafy,


ka hoy i Mosesy hoe: –Izany indrindra no nandidian’ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an’ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina.


Nataon’ny Israelita hoe mana ny anaran’izany sakafo izany. Mitovy amin’ny voarafy izy sady fotsy, ary tahaka ny mofo misy tantely ny tsirony.


Ny mana dia mitovy amin’ny voan-drafy sady miloko mavofotsy tahaka ny bideliôma.


Aoka hiasa ianareo, tsy hoe hahazoana ny sakafo mety levona, fa hahazoana ny sakafo matàna ho aina maharitra mandrakizay, dia ilay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no efa nasian’Andriamanitra ny mariky ny fahefana nomeny Azy.


Ireo razantsika dia nihinana ny mana tany an-taniefitra, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Mofo avy tany an-danitra no efa nomen’ny Tompo azy ireo hohanina!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra