Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 17:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Aza mitondra entana mivoaka ny tranonareo amin’ny andro sabata na manao raharaha akory amin’izany; fa atokany ho Ahy ny andro sabata tahaka izay efa nandidiako ny razanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 aza mitondra entana mivoaka avy amin’ny tranonareo amin’ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Aza mitondra entana mivoaka ny tranonareo amin’ny andro sabata na manao raharaha akory amin’izany; fa atokany ho Ahy ny andro sabata tahaka izay efa nandidiako ny razanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Aza mamoaka entana avy ao an-tranonareo, amin’ny andro sabata, ary aza manao taozavatra akory; hamasino ny andro sabata, araka ny efa nandidiako ny razanareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 ary aza mitondra entana mivoaka avy amin’ny tranonareo amin’ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 ary aza mitondra entana mivoaka avy amin'ny tranonareo amin'ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 17:22
19 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay koa no nahitako ny olona sasany tao Joda nanosihosy famiazam-boaloboka tamin’ny andro sabata; nisy nitaona amboaram-bary, nampitondra entana ny borikiny aza, dia divay sy voaloboka sy aviavy ary entana isan-karazany, mba hoentina any Jerosalema amin’ny andro sabata; dia nananatra azy mafy aho ny amin’izany andro ivarotany entana izany.


«Enina andro no hanaovanareo ny raharahanareo fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra ianareo mba hahazoan’ny ombinareo sy ny borikinareo miala sasatra, ary mba hahazoan’ny mpanomponareo sy ny vahiny maka aina.


Hoy koa ny TOMPO hoe: «Raha atsahatrao ny fanosihosena ny sabata, ka tsy ny tombontsoanao no enjehinao amin’ny andro voatokana ho Ahy, raha ny sabata no lazainao hoe andro mahafinaritra, raha ny andro voatokana ho Ahy no lazainao hoe mendrika hohajaina, raha hajainao tokoa izany ka fadînao ny fanaonao na ny manenjika ny tombontsoanao na ny miteniteny foana,


«Ianareo kosa, mihainoa Ahy tsara, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Aza mampandalo entana amin’ireo vavahadin’ny tanàna ireo amin’ny andro sabata; fa atokany ho Ahy izany andro izany ka aza manao raharaha akory ianareo.


Nomeko azy koa ny andro sabatako mba ho mariky ny fifandraisany amiko sy mba hiekeny fa Izaho TOMPO no nanokana azy Israelita ho Ahy.


atao tsinontsinona ny toerana voatokana ho Ahy ary zimbazimbaina ny andro sabatako.


«Samia manaja ny ray aman-dreninareo, ary tandremo ny sabata nodidiako hitsaharana. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.


«Andro enina no hanaovan-draharaha; fa ny fahafito dia sabata tena andro fitsaharana, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo. Aza manao raharaha akory ianareo, fa sabata hanajana Ahy TOMPO izany, na aiza na aiza onenanareo.


Aza manahaka ny razanareo. Fa efa nantsoin’ny mpaminany fahiny tamin’ny anarako ireo mba hiala amin’ny toetra sy ny asa ratsiny, kanefa tsy nety nihaino sy nankato Ahy. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.


Avy eo dia nody izy ireo ary nanomana zava-manitra sy ilomanitra, fa tamin’ny sabata dia niala sasatra araka ny lalàna.


Ary hoy koa i Jesoa tamin’ny Farisianina: –Ananan’ny Zanak’olona fahefana ny sabata!


Nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina aho tamin’ny andron’ny Tompo, ka nahare feo mahery tao ivohoko, dia feo mahery tahaka ny feon-trompetra


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra