Jeremia 17:23 - DIEM PROTESTANTA23 Nefa tsy nihaino izy na nampandry sofina fa nanamafy hatoka; eny, tsy nihaino izy fa nandà ny fampitandremako. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201123 Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara23 Nefa tsy nihaino izy na nampandry sofina fa nanamafy hatoka; eny, tsy nihaino izy fa nandà ny fampitandremako. Jereo ny tokoBaiboly Katolika23 Nefa izy ireny tsy nihaino, na nanongilan-tsofina; fa nanamafy ny hatony, mba tsy hihaino, sy tsy handray ny fampianarana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy23 Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra. Jereo ny tokoMalagasy Bible23 Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra. Jereo ny toko |
Tsy nitsahatra nandefa ny mpaminany mpanompoko rehetra nifandimby nankany aminareo Aho hilaza aminareo hoe: ‹Samia miala amin’ny lalan-dratsiny ka manaova ny tsara, atsaharo ny mifikitra amin’andriamani-kafa sy manao fanompoam-pivavahana ho azy, dia hahazo honina eto amin’ny tany efa nomeko anareo sy ny razanareo ianareo.› Kanefa tsy nanongilan-tsofina tamiko sady tsy nihaino Ahy ianareo.
Kanjo nikomy tamiko koa ireo zanany. Tsy narahiny ny lalànako ary tsy notandroviny hotanterahina ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manatanteraka ireny, sady nozimbazimbainy ny andro sabatako. Koa nihevitra Aho ny hampihatra sy hampitosaka ny fahavinirako amam-pahatezerako aminy any an-taniefitra.