Novonoin’Andriamanitra ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tamin’io tany io, dia ireo santatry ny hery tamin’ny ankohonana ejiptianina.
Eksodosy 13:15 - DIEM PROTESTANTA Niziriziry tsy nety nandefa anay ny Farao, ka naringan’ny TOMPO ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, nanomboka tamin’ny voalohan-teraky ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy. Izany no anoloranay ho sorona amin’ny TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra eo amin’ny biby; fa ny lahimatoa eo amin’ny zanakay kosa dia havotanay.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary satria nanamafy ny fony i Farao ka tsy namela antsika handeha dia novonoin’NY TOMPO ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby. Koa izany no anaterako ho an’NY TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanako kosa dia soloiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niziriziry tsy nety nandefa anay ny Farao, ka naringan’ny TOMPO ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, nanomboka tamin’ny voalohan-teraky ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy. Izany no anoloranay ho sorona amin’ny TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra eo amin’ny biby; fa ny lahimatoa eo amin’ny zanakay kosa dia havotanay.» Baiboly Katolika Fa rehefa nikiry tsy nety nandefa anay i Faraôna dia novonoin’i Iaveh ny lahy matoa rehetra tamin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahy matoan’ny olona, ka hatramin’ny lahy voalohan-teraky ny biby. Izany no anolorako ny lahy voalohan-teraka rehetra ho sorona amin’i Iaveh sy hanavotako ny lahy matoa rehetra amin’ny zanako lahy. Baiboly Protestanta Malagasy ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin’i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Egypta, hatramin’ny lahimatoan’ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an’i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanako dia soloako. Malagasy Bible ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin'i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, hatramin'ny lahimatoan'ny olona ka hatramin'ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an'i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin'ny zanako dia soloako. La Bible en Malgache ary satria nanamafy ny fony i Farao ka tsy namela antsika handeha dia novonoin’NY TOMPO ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby. Koa izany no anaterako ho an’NY TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanako kosa dia soloiko. |
Novonoin’Andriamanitra ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tamin’io tany io, dia ireo santatry ny hery tamin’ny ankohonana ejiptianina.
Nony tamin’ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin’ny lahimatoan’ny Farao izay nipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao an-tranomaizina mbamin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Kanefa fantatro fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta raha tsy terem-pahefana mahery.
Kanefa ny lahy voalohan-teraky ny borikivavy dia hosoloinareo zanakondry na zanak’osy lahy, na hovonoinareo ka haolanareo ny tendany. Ary ny zanaka lahimatoanareo kosa dia havotanareo. «Aza mankao amin’ny Toeramasina mitondra tanam-polo.
Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.»
Farany dia ho anareo avokoa ny voalohan-teraka rehetra izay aterina ho Ahy TOMPO, na olona izany na biby; kanefa dia havotanareo ny voalohan-teraky ny olona sy ny voalohan-teraky ny biby maloto.
Ho fanavotana ny lahimatoa miisa 273 eo amin’ny Israelita, izany hoe ireo lahimatoa izay nihoatra tamin’ny isan’ny Levita,