«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.
Eksodosy 13:10 - DIEM PROTESTANTA Isan-taona isan-taona, amin’ny fotoana voatondro, no hitandremanareo io fepetra io. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia tandremo izao lalàna izao amin’ny fotoanany isan-taona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Isan-taona isan-taona, amin’ny fotoana voatondro, no hitandremanareo io fepetra io. Baiboly Katolika Hotandremanao amin’ny fotoany, isan-taona isan-taona izany didy izany.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia tandremo amin’ny fotoany isan-taona izao lalàna izao. Malagasy Bible Dia tandremo amin'ny fotoany isan-taona izao lalàna izao. La Bible en Malgache Dia tandremo izao lalàna izao amin’ny fotoanany isan-taona. |
«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.
«Hotandremanareo ny fetin’ny mofo tsy misy leviora ho fahatsiarovana fa tamin’io andro io mihitsy Aho no namoaka ny vahoakanareo hiala avy tany Ejipta. Hotandremanareo hatrany hatrany izany andro izany, ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo.
Niari-tory ny TOMPO tamin’io alina io mba hamoahany ny vahoakany hiala tao Ejipta; koa tsy maintsy hiari-tory hatrany hatrany koa ny Israelita rehetra amin’io alina io, fa natokana ho an’ny TOMPO izany.
Koa hotsarovanareo hatrany hatrany izany zavatra izany amin’io volana io rehefa izay ianareo hampidirin’ny TOMPO ao amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita mbamin’ny Amôrita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Tany izay nianian’ny TOMPO tamin’ny razanareo fa homena anareo izany, tany tondra-dronono sy tantely.
Ny fety voalohany hankalazainareo dia ny fetin’ny mofo tsy misy leviora: mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Tamin’io volana io manko no nialanareo tany Ejipta; koa aza miseho eo amin’ny alitarako mitondra tanam-polo.
«Io volana io ihany, andro faha-15, no anombohan’ny fetin’ny mofo tsy misy leviora hanajana AHY. Mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora ihany no hohaninareo.