Rehefa nahare hoatra fingadongadon’olona eny an-tendron-kazo ianao, dia mihetseha faingana; satria amin’izay ny TOMPO no hiainga eo alohanao mba handresy ny tafiky ny Filistinina.
Eksodosy 11:4 - DIEM PROTESTANTA Ka hoy i Mosesy tamin’ny Farao: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Rehefa tokony ho misasakalina dia hipoitra eo anivon’i Ejipta Aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Mosesy: Izao no lazain’NY TOMPO: Rehefa tokony ho misasakalina dia hankeo afovoan’i Ejipta Aho, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy i Mosesy tamin’ny Farao: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Rehefa tokony ho misasakalina dia hipoitra eo anivon’i Ejipta Aho. Baiboly Katolika Hoy i Môizy: «Izao no lazain’i Iaveh: Rehefa misasaka ny alina dia handalo hamaky an’i Ejipta Aho, Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Mosesy: Izao no lazain’i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan’i Egypta, Malagasy Bible Ary hoy Mosesy: Izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan'i Egypta, La Bible en Malgache Hoy i Mosesy: Izao no lazain’NY TOMPO: Rehefa tokony ho misasakalina dia hankeo afovoan’i Ejipta Aho, |
Rehefa nahare hoatra fingadongadon’olona eny an-tendron-kazo ianao, dia mihetseha faingana; satria amin’izay ny TOMPO no hiainga eo alohanao mba handresy ny tafiky ny Filistinina.
Ao anatin’ny indray mipy maso monja amin’iny mamatonalina iny no mety hahafatesan’ny olona. Aringan’Andriamanitra ny mpanankarena dia manjavona tsy hita intsony; ary lasa tsy natosiny akory ny mahery.
I Môaba hampiasaiko toy ny tavy fisasàko; i Edôma hanipazako kapa ho fananako; i Filistia hanaovako horakora-pandresena.»
«Hamakivaky ao amin’ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka hamono ny lahimatoa rehetra ao aminy manomboka amin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hotanterahiko ny didim-pitsarana hamelezana ny andriamanitry ny Ejiptianina rehetra. Izaho no TOMPO.
Fa handalo mba hanafay ny Ejiptianina ny TOMPO; koa raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolam-baravarana roa ny TOMPO dia handalo ny varavaranareo fotsiny fa tsy hamela ny areti-mandringana hiditra ao an-tranonareo.
Nony tamin’ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin’ny lahimatoan’ny Farao izay nipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao an-tranomaizina mbamin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.
Mandroso toy ny miaramila maherifo ny TOMPO ary vonona toy ny mpiantafika zatra ady. Miantsoantso manao hiakan’ady Izy; ka maneho hery hihantsiana an’ireo fahavalony.
Nalefako teo aminareo ny pesta mpamely biby fiompy tahaka ny pesta nalefako tany Ejipta; novonoiko ho faty tamin’ny sabatra ny zatovolahinareo, sady nobaboina koa ny soavalinareo; ary nampiakariko hatrany am-bavoronareo ny hamaimbon’ny faty ao an-tobinareo; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitry ny TOMPO izany.
Any amin’ny tanimboaloboka rehetra dia hisy tomanim-pisaonana, satria handalo ao aminareo Aho. Izaho TOMPO no miteny.»
Miakatra eo alohanareo ny mpamaky lalana; dia hamaky ny vavahady ianareo ary hivoaka ny tanàna. Izy TOMPO, mpanjakanareo, no mandeha mitarika eo alohanareo.
Nony mamatonalina, dia nisy niantso mafy hoe: «Intỳ tamy ny mpampakatra! Mandehana ianareo mitsena azy!»