Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 2:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Miakatra eo alohanareo ny mpamaky lalana; dia hamaky ny vavahady ianareo ary hivoaka ny tanàna. Izy TOMPO, mpanjakanareo, no mandeha mitarika eo alohanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ny mpamaky lalana no miakatra eo alohany, mamaky lalana izy ka mandalo eo amin’ny vavahady dia mivoaka avy eo aminy; mandroso eo alohany ny mpanjakany, ary NY TOMPO no mitarika azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Miakatra eo alohanareo ny mpamaky lalana; dia hamaky ny vavahady ianareo ary hivoaka ny tanàna. Izy TOMPO, mpanjakanareo, no mandeha mitarika eo alohanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Miakatra eo alohan’izy ireo, ny mpanabanga. Izy ireo koa manabanga, miditra ny vavahady, ary mivoaka aminy koa; ny mpanjaka no mandroso eo anoloany, ary i Iaveh no mitarika azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin’ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin'ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ny mpamaky lalana no miakatra eo alohany, mamaky lalana izy ka mandalo eo amin’ny vavahady dia mivoaka avy eo aminy; mandroso eo alohany ny mpanjakany, ary NY TOMPO no mitarika azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 2:13
36 Rohy Ifampitohizana  

Ny anjelin’Andriamanitra izay nialoha ny Israelita hatrizay dia nandeha nifindra teo aorian’ny toby. Toy izany koa, ny andry rahona izay teo alohan’izy ireo dia lasa any aoriany.


Dia hampahiratra ny mason’ny jamba ianao, hamoaka ny gadra avy ao am-ponja, eny, hamoaka ireo mipetraka anaty haizina hialany amin’ny trano nihazonana azy.»


Izaho, eny, Izaho ihany no mampahery anao, hoy ny TOMPO. Ka inona no atahoranao ny olona mety maty, dia ny zanak’olombelona izay mihelina toy ny ahitra?


Satria tsy hikoropaka ianareo raha miainga hivoaka ny tanàna, ary tsy hihorohoro raha miala teto; fa ny TOMPO no hialoha lalana anareo ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo.


Indro izy fa nataoko vavolombelon’ny fahefàko eo amin’ny foko isan-tokony sady ho mpitarika sy mpibaiko ny hafa firenena.


«Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan’ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.


Izaho TOMPO ve hanavotra ireo olona ireo tsy ho voagejan’ny fahafatesana, ka hanafaka azy amin’ny toeran’ny maty? Rafahafatesana ô, aiza ny aretina fandringananao? Ry toeran’ny maty ô, aiza ny loza fandripahanao? Tsy hana-maso miantra Aho.


Dia hiray hina ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Israely ka hifidy filoha tokana ary hanenika ny taniny: fa ho lehibe ny andron’i Jizrehèla.


Aorian’izany ny Israelita dia hitady indray ny TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, ka hiverina amin-kovitra amin’ny TOMPO sy ireo zava-tsoany amin’ny hoavy.


Hoy ny Tompo hoe: «Hangoniko tokoa ianareo rehetra, ry taranak’i Jakôba; hovorîko tokoa ianareo sisa velona amin’ny Israely. Hatambatro ho iray tahaka ny ondry ao am-balany ianareo, tahaka ny ondry andiany eny an-tsaha fiandrasana azy no hisian’ny olona maro hifanaretsaka eto.»


Dia hoy aho hoe: Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, mihainoa re ianareo. Moa tsy anjara raharahanareo ve ny hahafantatra ny rariny?


Ny saozanina sisa tavela hataoko mahery, ireo voasesitany hataoko firenena matanjaka. Ka Izaho TOMPO no hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Tsiôna, hatrizao ka ho mandrakizay.


Dia Izaho Tompo no ho herin’ny vahoakako; ary amin’ny anarako no hifampiarahabany. Izaho Tompo no manao izany teny hentitra izany».


Ao i Jesoa no tafiditra nialoha antsika mba ho fanasoavana antsika, rehefa tonga Mpisorombe mandrakizay araka ny fomban’i Melkitsedeka.


Tamin’ny andro manaraka, dia nibaiko ny mpisorona i Josoa hoe: –Entonareo ny Vatamasina mirakitra ny fankempihavanana ka miampità eo alohan’ny vahoaka. Dia nitondra ilay Vatamasina ireo ka nandeha teo alohan’ny vahoaka.


Hiady amin’ny Zanakondry izy rehetra, nefa haharesy azy ny Zanakondry satria Izy no Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka; ary haharesy miaraka amin’ny Zanakondry koa ireo olona voaantso sy voafidy, dia ireo mpino Azy.


Fa ny Zanakondry Izay mipetraka eo afovoan’ny sezafiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharano velona; ary hofafàn’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra