Ireo governora ireo no namatsy isam-bolana an’i Salômôna mpanjaka sy izay navela hiray latabatra aminy, ka tsy navelany ho nisy zavatra tsy ampy na inona izany na inona.
Daniela 6:23 - DIEM PROTESTANTA Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny hanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria hita tsy manan-tsiny teo anatrehany aho; ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, dia tsy nanao ratsy aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny hanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria hita tsy manan-tsiny teo anatrehany aho; ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. Malagasy Bible Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. La Bible en Malgache Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, dia tsy nanao ratsy aho. |
Ireo governora ireo no namatsy isam-bolana an’i Salômôna mpanjaka sy izay navela hiray latabatra aminy, ka tsy navelany ho nisy zavatra tsy ampy na inona izany na inona.
Nitaraina tamin’Andriamanitra izy nandritra ny ady, ka nohenoin’Andriamanitra satria natoky Azy; dia novonjeny ary voatolotra ho eo an-tanany ny Hagrîta sy izay rehetra mpomba azy.
Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin’i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin’ny taniefitr’i Tekôa. Teo am-piaingàny, dia nitsangana i Jôsafata ka nanao hoe: –Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin’i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny, dia handresy ianareo!
Soa no ataon’ny TOMPO amiko satria marina aho; izany no avaliny ahy satria madio ny toetrako,
Manampy sy manafaka azy ny TOMPO, manafaka azy amin’ny olon-dratsy ka mamonjy azy noho ireo mialoka aminy.
Nahafaly an’i Jetrao ny soa rehetra nataon’ny TOMPO tamin’ny Israelita izay nafahany tamin’ny famoretan’ny Ejiptianina,
Ny toe-tsainy tsy miovaova; ka omenao fiadanana hatrany izy satria matoky Anao, TOMPO ô.
Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin’ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin’ny fahefànao Izy, ry mpanjaka.
Ary hoy indray ny mpanjaka: –Koa nahoana àry aho no mahita lehilahy efatra tsy mifatotra, mandehandeha ao anaty afo, nefa tsy misy maratra akory; sady ilay fahefatra dia mitovy endrika amin’ny zanak’ireo andriamanitra?
Fa niteny indray ireo ka nanao teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: –I Daniela, isan’ireo babo avy any Joda, dia tsy mba miraharaha anao na ny didy izay nosoniavinao, ry mpanjaka ô; fa intelo isan’andro izy no manao fivavahana amin’ny Andriamaniny.
Dia nisy vato natampina ny vavan-davaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin’ny tombokaseny sy tamin’ny an’ireo olo-manan-kajany mba tsy hisy hovana ny amin’i Daniela.
Noho ny finoana dia nandresy fanjakana maro ireo, sy nampihatra ny rariny ka nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra; nanakombona ny vavan’ny liona ireo,