24 Tamin’izay dia faly tokoa ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka i Daniela; rehefa tafakatra izy, dia tsy nahitana ratra akory satria natoky an’ilay Andriamaniny.
24 Dia faly indrindra ny mpanjaka ka nasainy nakarina avy tao an-davaka i Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka i Daniela, ary hita fa tsy naninon-tsy naninona izy, satria nino an’Andriamaniny.
24 Tamin’izay dia faly tokoa ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka i Daniela; rehefa tafakatra izy, dia tsy nahitana ratra akory satria natoky an’ilay Andriamaniny.
24 Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an’Andriamaniny.
24 Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an'Andriamaniny.
24 Dia faly indrindra ny mpanjaka ka nasainy nakarina avy tao an-davaka i Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka i Daniela, ary hita fa tsy naninon-tsy naninona izy, satria nino an’Andriamaniny.
Kanefa ny zanakalahin’ireto mpamono an’i Jôasy dia tsy mba novonoin’i Amatsià ho faty, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy; ao manko no nandidian’ny TOMPO hoe: «Ny ray aman-dreny tsy hatao maty noho ny fahotan-janany, na ny zanaka noho ny fahotan’ny ray aman-dreny, fa ny olona dia hatao maty noho ny fahotan’ny tenany ihany».
Saingy nankeo anatrehan’i Kserksesa i Estera, ka namoaka didy an-tsoratra ny amperôra mba hafotitra amin’i Hamàna ihany ny hevi-dratsy nokasainy hampiharina amin’ny Jiosy ary mba hahantona amin’ny hazo ny tenany sy ny zanany lahy.
ka alohan’ny maraina, dia ho vita ny amiko.– Toy ny liona mihitsy ny TOMPO nanapatapaka ny taolako rehetra. –Indray andro monja, TOMPO ô, no anaperanao ny aiko.–
Dia hoy ihany i Jeremià hoe: «Noho izany dia izao no lazain’ny TOMPO: Samy tokony ho nanambara fanafahana ho an’ny mpanompony avy ianareo, dia ho an’ny namany sady mpiray firenena aminy; nefa tsy nankatò Ahy ianareo. Koa Izaho TOMPO mihitsy no manambara sy miteny hentitra aminareo fa halefako hamely anareo ny ady sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hany ka hataoko mampivarahontsana ianareo any amin’ny fanjakana rehetra eran-tany.
Ary satria hentitra ny tenin’ny mpanjaka dia voafana izaitsizy ny lafaoro, ka matin’ny lelafo mbamin’ny miaramila izay nanipy an’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao.
Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin’ny ataon’ny zanany ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ny ataon’ny ray aman-dreniny; fa samy hatao maty amin’ny fahotany avy ny isam-batan’olona.