Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 26:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ny toe-tsainy tsy miovaova; ka omenao fiadanana hatrany izy satria matoky Anao, TOMPO ô.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ny toe-tsainy tsy miovaova; ka omenao fiadanana hatrany izy satria matoky Anao, TOMPO ô.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ny saina tsy miovaova dia harovanao amin’ny fiadanana tanteraka, Satria matoky Anao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin'ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ny olona tsy miovaova hevitra dia harovanao ao anatin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 26:3
34 Rohy Ifampitohizana  

Nitaraina tamin’Andriamanitra izy nandritra ny ady, ka nohenoin’Andriamanitra satria natoky Azy; dia novonjeny ary voatolotra ho eo an-tanany ny Hagrîta sy izay rehetra mpomba azy.


Tamin’izany fotoana izany no nampietrena ny Israelita; nandresy kosa ny Jodeanina satria niankina tamin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany.


Tsy tafika marobe ve ny Etiôpianina sy ny Libianina ary tsy betsaka ve ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’ny TOMPO, dia natolony teo an-tananao ireo.


Fiadanam-be ny an’izay mankamamy ny lalànanao, ary tsy misy zavatra mahasolafaka azy.


Hira fiakarana. Izay matoky ny TOMPO: toy ny tendrombohitra Tsiôna, tsy mihontsona fa mitombina mandrakizay.


Ny TOMPO no fialofana ho an’ny ampahorîna, eny, fialofana amin’ny andro mahory.


Indro Andriamanitra namonjy ahy, matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony. Ny TOMPO no heriko sy fidèrako, fa Izy no mpamonjy ahy.»


TOMPO ô, Ianao no manome anay ny fiadanana ary Ianao koa no mahatomombana ho anay ny asa rehetra nataonay.


Fa izay mifikitra eo ambany fiarovako no hamitram-pihavanana amiko; eny, hamitram-pihavanana amiko izy.


Lozan’izay midina any Ejipta mba hitady famonjena! Ny soavaly no ianteherany; ny kalesy no itokiany satria maro ireny; ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy, satria mahery tokoa ireny; fa tsy andrandrainy akory ilay Masin’i Israely ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO.


Fiadanana no ho vokatry ny hitsiny; ary filaminana sy fandriampahalemana no haterany hatrany hatrany.


Ny vahoakako hitoetra ao amin’ny faritra miadana, ao amin’ny fonenana misy fandriampahalemana sy ao amin’ny fialan-tsasatra feno fitoniana.


Iza moa no jamba raha tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Eny, iza no jamba tahaka ny mpitondrateniko, ary marenina tahaka ny mpanompoko?


«Izaho TOMPO no niantso anao araka ny fahamarinana ka nitantana anao. Izaho no niaro anao ka nanendry anao ho antoky ny fanekempihavanako amin’ny olona ary koa ho fahazavan’ireo firenena.


Eny, ianareo izay mitonon-tena ho avy amin’ny tanàna masina ka miankina amin’Andriamanitr’i Israely Izay «TOMPOn’izao rehetra izao» no anarany, henoy àry izao teniko izao:


Izao koa no lazain’ny TOMPO: «Tamin’ny fotoana mety dia namaly ny antsonao Aho, ary tamin’ny androm-pamonjena dia tonga namonjy anao Aho. Nokolokoloiko ianao mba hataoko ho antoky ny fanekempihavanako amin’ny olona. Noho izany, dia hanarina ny tany Aho sy hizara indray ny lova efa rava;


Izao no fanontaniana ataon’ny TOMPO: «Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.


Iza aminareo no manaja ny TOMPO? Aoka izy hihaino ny feon’ny mpanompony! Raha misy mandeha amin’ny maizina tsy ahitam-pahazavana mihitsy, aoka izy hitoky sy hiankina amin’ny TOMPO Andriamaniny!


Fa izao tokoa no lazain’ny TOMPO: «Indro hotarihiko hankao Jerosalema ny fiadanana ka hihanaka toy ny ony; ny haren’ny firenen-kafa hotarihiko hankao ka ho tondraka toy ny renirano. Hikarakara fatratra anareo Aho toy ny ataon-dreny mampinono ny zanany ka mitondra azy eo an-trotroany sy mandrotsirotsy azy eo am-pofoany.


Havotako tokoa ianao mba tsy ho faty an’ady, ka ho voavonjy ny ainao, satria natoky Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »


Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin’ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin’ny fahefànao Izy, ry mpanjaka.


Dia loa-bolana i Nebokadnetsara ka nanao hoe: –Hisaorana anie Andriamanitr’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; naniraka ny anjeliny manko Izy mba hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy, ka nandika ny baiko nataoko. Fa naleon’ireo kosa nanolo-tena hampijalina toy izay hanompo sy hitsaoka andriamani-kafa ankoatra ilay Andriamaniny.


Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny hanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria hita tsy manan-tsiny teo anatrehany aho; ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka.


Ary handresy amin’ny sabatra sy lefom-pohy ireo mpitari-tafika ireo ka hifehy an’i Asiria, tanin’i Nimrôda. Izany mpanapaka izany mihitsy no hanafaka antsika amin’ny Asirianina izay hihoatra sisitany ka ho tonga hanafika ny tanintsika.


Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy mba fiadanana tahaka ny fanomezan’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka izay ny horohoro na ny tahotra ao am-ponareo.


Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin’ny firaisana amiko. Eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!


Noho ny finoana àry dia tonga olo-marina eo imason’Andriamanitra isika sady efa mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.


Ary ilay fiadanana avy amin’Andriamanitra sady mihoatra noho ny zavatra rehetra takatry ny fieritreretan’olombelona, dia hiaro ny fonareo sy ny sainareo, satria efa tafaray amin’i Kristy Jesoa ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra