Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Fa hoy ny navalin’i Jesoa azy: –Raha misy efako hoe? Tsy misy tsy efan’izay mino!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Fa hoy ny navalin’i Jesoa azy: –Raha misy efako hoe? Tsy misy tsy efan’izay mino!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Niaraka tamin’izay, dia sady niantso mafy ny rain-drazazalahy no nanao an-dranomaso hoe: «Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re ity tsy finoako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:23
12 Rohy Ifampitohizana  

Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin’i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin’ny taniefitr’i Tekôa. Teo am-piaingàny, dia nitsangana i Jôsafata ka nanao hoe: –Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin’i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny, dia handresy ianareo!


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Avia! Ary niala tao an-tsambokely i Petera ka nandeha teny ambony rano hankeny amin’i Jesoa.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Satria kely finoana loatra ianareo! Eny, lazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana tahaka ny voan-tsinapy anankiray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ», dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. [


Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: «Mialà eo, ary mianjerà any an-dranomasina», ka tsy misalasala ao am-po, fa mino hoe ho tonga izay lazainy, dia ho tanteraka aminy tokoa.


Ary matetika izy no nazeran’io fanahy io tany anaty afo sy tany anaty rano hamonoana azy; koa raha misy efanao re, dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay!


Avy hatrany ilay rain’ilay zaza dia niantsoantso mafy nanao hoe: –Mino aho, nefa vonjeo fa tsy ampy finoana.


Ka novalian’ny Tompo hoe: –Raha manam-pinoana hoatra ny voan-tsinapy ianareo dia ho afa-milaza amin’ity voaroihazo ity hoe: «Miongota, ary aoka haniry any an-dranomasina»; dia hanoa anareo izy.


Ary hoy i Jesoa taminy: –Tsy efa voalazako taminao ve fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?


Nihaino an’i Paoly nandaha-teny ralehilahy. Nibanjina azy i Paoly ka nahita fa manam-pinoana ny ho sitrana izy.


Raha tsy misy finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra; koa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Andriamanitra sady mamaly soa izay mitady Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra