kanefa tsy mba niaiky heloka teo anatrehan’ny TOMPO tahaka ny nataon’i Manase rainy izy, fa vao mainka nanota bebe kokoa aza.
Daniela 5:22 - DIEM PROTESTANTA Ary ianao Belsatsara zanany lahy dia tsy mba nampietry ny fonao na dia efa fantatrao aza izany rehetra izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ianao Belsatsara zanany lahy dia tsy mba nampietry ny fonao na dia efa fantatrao aza izany rehetra izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany; Malagasy Bible Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany; La Bible en Malgache Ary ianao, ry Belsazara zanany, dia tsy mba nampietry ny fonao, na dia fantatrao aza izany rehetra izany. |
kanefa tsy mba niaiky heloka teo anatrehan’ny TOMPO tahaka ny nataon’i Manase rainy izy, fa vao mainka nanota bebe kokoa aza.
Nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO Andriamaniny izy, ary tsy mba niaiky heloka teo anatrehan’i Jeremià mpaminany, izay nilaza hafatra avy amin’ny TOMPO.
Dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka nanao taminy hoe: –Ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo dia manontany anao hoe: «Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko!
Hoy ny Tompo hoe: «Hirotsaka an-tsehatra Aho hamaly ny faharatsian’izao tontolo izao sy ny heloka vitan’ny olon-dratsy. Hatsahatro ny fireharehàn’ny mpiavonavona ary haetriko ny rehaky ny mpanao didy jadona.
Fa hoy ianao anakampo hoe: «Hiakatra any an-danitra any aho ka hametraka ny sezafiandrianako ho avo noho ny kintan’Andriamanitra; dia eo amin’ilay tendrombohitra fivoriana, izay any am-parany avaratra, no hipetrahako.
Fa raha amindrana fo ny olon-dratsy, dia tsy hahatakatra ny fahamarinana, fa hamilivily ny rariny eto an-tany ka tsy hahita ny fiandrianan’ny TOMPO.
Ry mpanjaka ô, Andriamanitra Avo Indrindra no efa nahatonga an’i Nebokadnetsara rainao ho mpanjaka lehibe heni-boninahitra sy laza.
Eny, tonga teo aminareo i Jôhany Mpanao batisa, ary naneho taminareo ny lala-marina voasoritr’Andriamanitra, saingy tsy nino an’i Jôhany ianareo, fa ireo mpamory hetra sy vehivavy mpivarotena no nino azy; ary ianareo kosa, na dia efa nahita azy ireny aza, dia mbola tsy nanenina ihany taorian’izany mba hinoanareo an’i Jôhany.
Fa ny mpanompo mahalala tsara ny sitrapon’ny tompony, nefa tsy mivonon-kanao ary tsy manatontosa, dia hahazo kapoka be.
Manome antsika fahasoavana lehibe lavitra anefa Andriamanitra, satria hoy ny Soratra Masina: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona, fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»