Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 26:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Fa raha amindrana fo ny olon-dratsy, dia tsy hahatakatra ny fahamarinana, fa hamilivily ny rariny eto an-tany ka tsy hahita ny fiandrianan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy dia tsy mety mianatra fahamarinana; eny, mbola manao meloka ihany izy na dia ao amin’ny tanin’ny fahamarinana aza ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Fa raha amindrana fo ny olon-dratsy, dia tsy hahatakatra ny fahamarinana, fa hamilivily ny rariny eto an-tany ka tsy hahita ny fiandrianan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Raha omena famindram-po ny ratsy fanahy dia tsy mahalala ny fahamarinana; ka na eo amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy dia manao ratsy, sy tsy mahita izay fiandrianan’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, Tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany Ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy, tsy mety mianatra fahamarinana izy; Eny, na dia ao amin'ny tanin'ny fahamarinana aza izy, mbola manao meloka ihany ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Na dia asiana soa aza ny ratsy fanahy dia tsy mety mianatra fahamarinana; eny, mbola manao meloka ihany izy na dia ao amin’ny tanin’ny fahamarinana aza ka tsy mety mijery ny fahalehibiazan’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 26:10
36 Rohy Ifampitohizana  

Saingy tsy nialany fa nizorany hatrany ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama mianakavy ireo Israelita; ary na dia ilay tsatokazo fanajana an’i Aserà aza dia mbola nijoro tao Samaria ihany.


Imbetsaka izy no nafahan’ny Tompo, saingy nikiry tamin’ny fikomiany ka nilentika tanaty heloka hatrany.


Ampianaro aho hanao ny sitrakao, satria Andriamanitro Ianao. Enga anie ny Fanahinao tsara hitarika ahy amin’ny tany marina!


satria ilay nokapohinao no mbola enjehiny ary ny ferin’ilay noratrainao no ampiany!


Dia hoy ireo mpimasy tamin’ny Farao: –Herin’Andriamanitra no ao amin’io tehina io! Kanefa ny Farao dia nanamafy ny fony, araka izay efa nolazain’ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna.


Fantatro anefa izao fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola tena hatahotra ny TOMPO Andriamanitra ihany.


Nony hitan’ny Farao fa nitsahatra ny orana sy ny havandra ary ny kotroka, dia hadisoana toy ny teo aloha indray no nataony; fa samy nihadonto fo izy sy ireo tandapany.


Fa ny di-doha no mahafaty ny kely saina ary ny fahatokian-tena no mahavery ny adala.


Izao koa no zavatra hitako teto ambonin’ny tany: ny toerana tokony hampiharana ny rariny sy ny fahamarinana no anjakan’ny faharatsiana.


Fa tsy tanterahina eo no ho eo akory ny famaliana ny ratsy atao; dia izany no ikirizan’ny olona hanao ratsy.


Ahoana no nahatonga janga ity tanàna nahatoky? Feno rariny anefa tao taloha sady nitoeran’ny fahamarinana; fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.


Miafena any ambany vatolampy ianareo ary misitriha any anaty tany, mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra.


Ny tany dia voaloton’ny mponina ao aminy fa nandika ny lalànan’ny Tompo ireny, tsy nanaraka ny fitsipika fa nivadika tamin’ny fanekempihavanana izay maharitra mandrakizay.


Amin’izany andro izany, dia hanakoako ny feon’ny anjomara lehibe; ka ho tonga avokoa ireo very tany Asiria na ireo tafaely tany Ejipta mba hiankohoka eo anatrehan’ny TOMPO ao an-tendrombohitra masina any Jerosalema.


Ny adala miteny hadalana hatrany, ary ny fony manomana heloka; dia manatanteraka izany tahaka ny tsy mpivavaka izy ary koa miteny ratsy ny TOMPO. Avelany hitofezaka ny noana ary tsy ampisotroiny rano ny mangetaheta.


Ny fangoloka kosa manana fitaovana ratsy, mamorona teti-dratsy hamelezana ny malahelo amin’ny filazana zavatra hosoka rehefa mitaky ny hitsiny ny mahantra.


Miala liana amin’ny feom-baliha sy lokanga ombàn’ny ampongatapaka sy sodina ireo; fa izay ataon’ny TOMPO tsy ahoany ary ny asa vitany tsy jereny akory!


Izaho no nampiditra anareo ho ao amin’ny tany lonaka mba hihinananareo ny vokatra tsara avy aminy; kanjo rehefa tafiditra tao ianareo dia nolotoinareo ny taniko ary ny fananako nametrahanareo zava-maharikoriko.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Rehefa hanova ny anjaran’ity tanin’i Joda sy ireto tanànany Aho, dia hotononina indray ny fiteny hoe: ‹Hitahy anao anie ny TOMPO ry Tsiôna tendrombohitra masina, fonenan’ny famonjena!›


Minia miodina amiko ny vahoakako; ary antsoina mba hanatona Ahy ilay Avo izy fa tsy misy mety miainga izy rehetra.


Nony mby teo amin’ny ahi-maitso ianao dia afa nivoky tokoa. Eny, voky ianao, ka niavonavom-po; izany no nanadinoanao Ahy.


I Efraîma dia tsy hahazo monina intsony eo amin’ny tanin’ny TOMPO; fa tsy maintsy hiverina any Ejipta izy na hankany Asiria hihinan-java-pady.


Mitsangàna ka mialà, fa tsy misy fitsaharana ho anareo intsony eto. Satria ny fahalotoanareo hahatonga fandringanana, dia fandringanana mahatsiravina.»


Avy eo dia nentin’ny devoly ho any Jerosalema tanàna masina i Jesoa, ka najorony teo an-tendron’ny zoron’ny tempoly


Koa nihinana ny taranak’i Jakôba, ka voky; nihanatavy i Jesoròna, ka namely daka. Eny, tonga natavy izy, vory nofo sy dongadonga ka nandao an’Andriamanitra Izay nanao azy ary nanamavo an’ilay Vatolampy famonjena azy.


Efa nomeko andro io vehivavy io hialany amin’ny toe-dratsiny, saingy tsy mety miala amin’ny fijangajangàny.


Dia hoy i Samoela hoe: –Na dia nihevitra ny tenanao ho tsy nanao ahoana aza ianao taloha, dia efa tonga filohan’ny fokon’i Israely, fa ny TOMPO efa nanosotra anao ho mpanjakan’i Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra