Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Jôsefa,
Daniela 3:21 - DIEM PROTESTANTA Avy hatrany dia nafatotra niaraka tamin’ny lobany sy patalohany ary akanjony sy satrony ireo lehilahy ireo, ka natsipy tao amin’ny lafaoro misy afo mivaivay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny akanjobeny ivelany mbamin’ny fitafiany hafa koa, ary natsipy tao anatin’ny lafaoro mirehitra afo izy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy hatrany dia nafatotra niaraka tamin’ny lobany sy patalohany ary akanjony sy satrony ireo lehilahy ireo, ka natsipy tao amin’ny lafaoro misy afo mivaivay. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapôtiny mbamin’ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin’ny lafaoro nisy afo mirehitra izy; Malagasy Bible Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin'ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra izy; La Bible en Malgache Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny akanjobeny ivelany mbamin’ny fitafiany hafa koa, ary natsipy tao anatin’ny lafaoro mirehitra afo izy ireo. |
Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Jôsefa,
Ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo atỳ Babilôna dia hampiasa ny anaran’izy roa lahy ho oha-panozonana ka hilaza hoe: Hataon’ny TOMPO tahaka izay nanjo an’i Tsedekià sy i Ahaba izay nodoran’ny mpanjakan’i Babilôna tamin’ny afo anie ianao!
Ary ireo lehilahy matanjaka indrindra tamin’ny miaramilany no nasainy namatotra an’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao sy nanipy azy tao anaty lafaoro misy afo mivaivay.
Dia nitangorona ireo solotenan’andriamanjaka sy ny mpifehy faritany ary ny governora sy ireo mpanolotsain’ny mpanjaka mba hijery ireo lehilahy ireo; ka hitany fa tsy nampaninona ny tenan’izy ireo akory ny afo, tsy may ny volon-dohany, tsy simba ny fitafiany sady tsy maimbo afo akory.
Ary na iza na iza tsy miankohoka sy tsy mivavaka aminy dia hatsipy miaraka amin’izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.»