Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 13:42 - DIEM PROTESTANTA

42 ka hanipy azy any anatin’ny memy mirehitra; dia any ireo no hitomany sy hikotro-nify.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

42 dia hanipy azy any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

42 ka hanipy azy any anatin’ny memy mirehitra; dia any ireo no hitomany sy hikotro-nify.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

42 ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra; any ho hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

42 dia hanipy azy any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

42 dia hanipy azy any amin'ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 13:42
19 Rohy Ifampitohizana  

Izay te hikasika azy dia tsy maintsy mirongo faraingo vy na zaran-defona; ary ireny tsilo ireny dia dorana amin’ny afo eo amin’ny toerana itobiany eo ihany.


Ry Andriamanitra Mpanjaka ô, ho azonao ny fahavalonao rehetra ary ho eo am-pelatananao ireo rehetra mpankahala Anao.


Ary na iza na iza tsy miankohoka sy tsy mivavaka aminy dia hatsipy miaraka amin’izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.»


ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any ireo no hitomany sy hikotro-nify.


Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireo mpanompony: «Afatory tongotra aman-tanana ilay io, dia ario any amin’ny maizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.»


Ary dia izao kosa no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankaviany: «Mialà amiko ianareo voaozona, mandehana any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.


Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.


Ireo natao handova ny Fanjakàn’ny lanitra kosa dia horoahina any amin’ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify.


Any tokoa ianareo no hitomany sy hikitro-nify, rehefa hitanareo ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra ry i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra; fa ianareo kosa voaroaka any ivelany.


dia izy koa no hisotro ny divain’ny haviniran’Andriamanitra, divay izay efa naidina tsy misy fangarony ao anatin’ny tsatokaty fisotroana ny hatezeran’Andriamanitra; sady hampijalîna amin’ny afo sy solifara eo anatrehan’ny anjely masina sy eo anatrehan’ny Zanakondry izy.


Dia voasambotra ilay biby sy ilay mpaminany sandoka, izay nanao zava-mampitolagaga teo anatrehan’ilay biby mba hoenti-mamitaka ireo nandray ny mariky ny biby sy nivavaka tamin’ny sariny; ary natsipy velona ho any amin’ny farihy afo arehi-tsolifara ilay biby sy ilay mpaminany sandoka.


Ny devoly izay namitaka azy ireo dia natsipy tany amin’ny farihy afo aman-tsolifara, izay efa nanipazana ilay biby sy ilay mpaminany sandoka; ary hampijalîna andro aman’alina mandrakizay mandrakizay izy telo ireo.


Fa ny kanosa, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra, dia hanana ny anjarany any amin’ny farihy mirehitra afo aman-tsolifara: izany no fahafatesana faharoa.


Dia nosokafany ny vavalavak’ilay hantsambe, ka nisy setroka niakatra avy ao tahaka ny setroka avoakan’ny lafaoro lehibe; ary nihamaizina ny masoandro sy ny habakabaka noho ny setroka navoakan’ny vavalavaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra