Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 13:41 - DIEM PROTESTANTA

41 Hirahin’ny Zanak’olona ny anjeliny; ary ny anjely no hanaisotra tsy ho eo amin’ny Fanjakan’ny Zanak’olona izay rehetra mpitaona ny hafa hanota sy izay mpanao ratsy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 Ny Zanak’Olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 Hirahin’ny Zanak’olona ny anjeliny; ary ny anjely no hanaisotra tsy ho eo amin’ny Fanjakan’ny Zanak’olona izay rehetra mpitaona ny hafa hanota sy izay mpanao ratsy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

41 Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny fanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 Ny Zanak’olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 Ny Zanak'olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin'ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin'izay manao meloka,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

41 Ny Zanak’Olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka,

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 13:41
18 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny olom-poana rehetra kosa dia tahaka ny tsilo fanary ka tsy mba fandrain-tanana.


Hopotehiko ny olona sy ny biby ary ny vorona mbamin’ny trondro; haringako ny ratsy fanahy sy ny asa manafintohina ataony. Tsy avelako hisy olona na dia iray aza eto ambonin’ny tany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany».


Dia tahaka izany no hatao amin’ny fiafaran’izao tontolo izao; ho tonga ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny olo-marina,


Tataovan-doza izao tontolo izao satria betsaka ny toe-javatra mitarika amin’ny ratsy! Eny, tsy maintsy hisy ny toe-javatra mitarika amin’ny ratsy, kanefa mampalahelo izay olona hahatonga izany!


Dia hisy trompetra haneno mafy; ary hirahin’ny Zanak’olona ireo anjeliny, ka ireo no hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazan-tany efatra, manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny.


Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny fosa manan-davaka ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra!


ary dia haniraka ny anjeliny Izy ka hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazantany efatra, manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny.


Araka ny Vaovao Mahafaly ambarako, dia izany no ho hita amin’ilay andro hitsaran’Andriamanitra ny toetra miafin’ny olona tsirairay avy, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


Fa inona moa ny anjely? Fanahy manompo an’Andriamanitra izy rehetra, ka irahiny mba hanasoa ireo olona natao handray famonjena.


ary tsy mba hiditra ao mihitsy ny zavatra maloto na ny olona mpanazimbazimba na ny mpandainga; fa ny hany miditra ao dia ireo olona voasoratra anarana anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay: io horonamboky io dia teo am-pelatanan’ny Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra