Noho izany, dia ho voaheloka eo amin’ny fitsarana ireo; ary tsy hisy toerana ho azy akory eo amin’ny fivorian’ny olo-marina.
Daniela 12:13 - DIEM PROTESTANTA Fa ianao, ry Daniela, mizora hatramin’ny farany; dia hiala sasatra ianao ka hitsangana handray ny valisoanao amin’ny andro farany.› » Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa mandehana ianao mandra-piavin’ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana hahazo ny anjara ho anao amin’ny andro farany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ianao, ry Daniela, mizora hatramin’ny farany; dia hiala sasatra ianao ka hitsangana handray ny valisoanao amin’ny andro farany.› » Baiboly Protestanta Malagasy Fa mandehana hianao mandra-pihavin’ny farany; fa hitsahatra hianao ka hitsangana ho ao amin’ny anjaranao amin’ny andro farany Malagasy Bible Fa mandehana ianao mandra-pihavin'ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin'ny anjaranao amin'ny andro farany. La Bible en Malgache Koa mandehana ianao mandra-piavin’ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana hahazo ny anjara ho anao amin’ny andro farany. |
Noho izany, dia ho voaheloka eo amin’ny fitsarana ireo; ary tsy hisy toerana ho azy akory eo amin’ny fivorian’ny olo-marina.
Dia namaly ny TOMPO hoe: –Izaho mihitsy no handeha hiaraka aminao, ka hanome anao fiadanana!
Ary ireo hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay nampianatra ny maro ho marina dia hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay mandrakizay.
«Ry Daniela, ahorony hiafina ireo teny ireo ka asio tombo-kase tsy ho azo sokafana ity boky ity ambara-pahatongan’ny fotoana farany; ho maro amin’izay no hamaky azy ka hitombo fahalalana.
«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Raha izoranao ny sori-dàlako, ka tandremanao ny didiko, dia ianao no hiandraikitra ny tranoko sy hitandrina ny kianjan’ny tempoly ary hisy hataoko mpanoro hevitra anao amin’ireto olona mijoro etoana ireto.»
Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Lazaiko marina aminareo fa rehefa hohavaozina tanteraka izao tontolo izao ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona, ianareo 12 lahy niaraka tamiko dia samy hipetraka amina sezafiandrianana mba hitsara ny foko 12 amin’i Israely.
Koa miambena sady mivavaha lalandava mba ho afa-miala amin’izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan’ny Zanak’olona.
Eny, fantatsika fa raha rava ny tranolay itoerantsika eto an-tany (izany hoe ity vatantsika ity), dia manan-trano izay tsy nataon-tanan’olona fa narafitr’Andriamanitra isika, dia trano maharitra mandrakizay any an-danitra.
ary homeny fialan-tsasatra miaraka aminay ianareo ampahorîna. Ho tonga izany amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Tompo avy any an-danitra, otronin’ireo anjely mitory ny heriny;
Ary reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Soraty izao: «Sambatra ireo maty, izay maty amin’ny fanompoana ny Tompo manomboka izao! Eny, hoy ny Fanahy Masina, aoka izy ireo hahazo fitoniana amin’ny fisasarany, fa ny asany manaraka azy.»