Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 3:7 - DIEM PROTESTANTA

7 «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Raha izoranao ny sori-dàlako, ka tandremanao ny didiko, dia ianao no hiandraikitra ny tranoko sy hitandrina ny kianjan’ny tempoly ary hisy hataoko mpanoro hevitra anao amin’ireto olona mijoro etoana ireto.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Raha mizotra amin’ny lalako ianao ary mitandrina ny didiko dia ianao no hanam-pahefana amin’ny tranoko sy hitandrina ny kianjako sady homeko lalana malalaka ho eo amin’ireo mijoro ireo ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Raha izoranao ny sori-dàlako, ka tandremanao ny didiko, dia ianao no hiandraikitra ny tranoko sy hitandrina ny kianjan’ny tempoly ary hisy hataoko mpanoro hevitra anao amin’ireto olona mijoro etoana ireto.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Raha mizotra amin’ny lalako ianao sy mahatoky ianao amin’ny fanaovana ny raharahako, dia hanapaka ny tranoko koa ianao; sy hiambina ny kianjako, sady havelako malalaka hiditra ho isan’ireto izay mitoetra atỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Raha mizotra amin’ny làlako hianao sy mitandrina ny didiko, dia hianao no hitsara ny amin’ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko làlana ho amin’ireo mitsangana ireo hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mizotra amin'ny lalako ianao sy mitandrina ny didiko, dia ianao no hitsara ny amin'ny tranoko sy hitandrina ny kianjako, sady homeko lalana ho amin'ireo mitsangana ireo ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Raha mizotra amin’ny lalako ianao ary mitandrina ny didiko dia ianao no hanam-pahefana amin’ny tranoko sy hitandrina ny kianjako sady homeko lalana malalaka ho eo amin’ireo mijoro ireo ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 3:7
30 Rohy Ifampitohizana  

satria efa nihaino ny feoko i Abrahama, ka nitandrina ny baikoko sy ny didiko ary ny fitsipiko sy ny lalànako.


Tandremo izay andidian’ny TOMPO Andriamanitrao hanarahanao ny sori-dalany ary hitandrovanao ny lalànany sy ny didiny amam-pitsipiny sy ny sàtany araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy; dia hahomby ianao amin’izay rehetra hataonao sy hokasainao.


Ary raha mizotra amin’ny sori-dalako ianao ka mitandrina ny lalànako sy ny didiko tahaka ny nataon’i Davida rainao, dia hohalavaiko ny andronao.


Mbola azy koa no miambina ny Tranolay fihaonana sy ny Toeramasina; fa an’ny taranak’i Aharôna rahalahiny kosa ny manao ny fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO.


fa izay mijinja ny vary ihany no hihinana azy ka hidera Ahy TOMPO, ary izay nioty ny voaloboka ihany no hisotro ny divay eo an-kianjan’ny tempoliko.»


Tsy niraharaha ny fanompoana Ahy tao amin’ny Toeramasina onenako ianareo, fa nanendry ireo vahiny hanao azy hisolo anareo.


Izany faritra izany dia ho an’ny mpisorona voatokana avy amin’ny taranak’i Tsadôka izay nitandrina an-tsakany sy an-davany ny fanompoana Ahy Tompo, fa tsy mba nivily nanaraka ny lalan-dison’ny Israelita tahaka ny nataon’ny levita.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Efa voalazan’ny TOMPO izany, fony Izy nanao hoe: «Izay hanakaiky Ahy dia tiako hanaja ny fahamasinako, ary hanome voninahitra Ahy eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Dia nanao hiram-pisaonana i Aharôna.


Eny, hitoetra fito andro aman’alina eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana ianareo. Avy eo dia hanao ny fanompoana ny Tompo ianareo kanefa tsy ho faty. Izany no didy nomen’ny TOMPO ahy.


Ary nilaza fanambarana tamin’i Josoa ilay anjelin’ny TOMPO nanao hoe:


Dia nohazavainy tamiko àry fa ireo zavatra ireo dia manambara ny olona roa voahosotra tamin’ny diloilo mba hanompo ilay Tompon’ny tany tontolo.


Hisy koa olona avy lavitra ho tonga hanampy amin’ny fanamboarana ny tempolin’ny TOMPO. Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo. Ho tonga izany, raha mankatò ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo.


Dia hoy izy namaly ahy: –Ireo kalesy efatra ireo dia hiroso ho any amin’ny vazan-tany efatra rehefa avy niseho teo anatrehan’ilay Tompon’ny tany tontolo.


Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Lazaiko marina aminareo fa rehefa hohavaozina tanteraka izao tontolo izao ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona, ianareo 12 lahy niaraka tamiko dia samy hipetraka amina sezafiandrianana mba hitsara ny foko 12 amin’i Israely.


Ka hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro ianareo any amin’ny Fanjakàko ary hipetraka ambony sezafiandrianana hitsara ny foko 12 amin’i Israely.


Misy fonenana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia ho nilaza taminareo ve Aho fa handeha hamboatra toerana ho anareo?


«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra