Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 3:8 - DIEM PROTESTANTA

8 «Koa mihainoa, ry Josoa mpisorombe sy ianareo mpisorona namany rehetra izay mipetraka eo akaikiny, satria fambara ny famonjena ho avy ianareo. Indro fa hasehoko ilay mpanompoko, dia ilay antsoina hoe Itsimoka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao, fa olona atao famantarana ireo: Indro, entiko i Rantsana Mpanompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 «Koa mihainoa, ry Josoa mpisorombe sy ianareo mpisorona namany rehetra izay mipetraka eo akaikiny, satria fambara ny famonjena ho avy ianareo. Indro fa hasehoko ilay mpanompoko, dia ilay antsoina hoe Itsimoka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Mihainoa àry, ry Jesosy, mpisorona lehibe, ianao sy ireo namanao mipetraka eo anoloanao: - fa olona hatao fambara ireo: Indro Aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia hianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana Mpanompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao; fa olona atao fahagagana ireo; fa, indro, ho entiko Rantsana Mpanompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Koa mihainoa, ry Josoa mpisoronabe, dia ianao sy ny namanao izay mipetraka eo anoloanao, fa olona atao famantarana ireo: Indro, entiko i Rantsana Mpanompoko.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 3:8
24 Rohy Ifampitohizana  

Toa zava-mahagaga ho an’ny maro aho, kanefa Ianao no fialofa-mafy ho ahy.


Misy rantsana misandrahaka avy amin’ny fototr’i Jisay; misy solofo mipoitra avy amin’ny fakany.


Ary io taona nahazoan’ny Asirianina an’i Asdôda io, no nilazan’ny TOMPO taminy hoe: «Efa ho telo taona izao no nandehandehanan’i Isaià mpanompoko, tsy nitafy lamba sy tsy nikiraro, mba ho famantarana sy marika ny amin’ny hamelezana an’i Ejipta sy i Etiôpia.


Amin’izany andro izany, izay ampanirin’ny TOMPO eo amin’ny tany dia ho tabiha sy ho voninahitra ho an’izay sisa velona teo amin’i Israely, ka izay vokatry ny tany no ho mariky ny fiandrianany sy reharehany.


Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.


Hoy Izy tamiko: «Ianao no mpanompoko, ilay Israely entiko maneho ny voninahitro.»


Ankehitriny kosa niteny tamiko ny TOMPO, Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba hahatonga ahy ho mpanompony ka hampodiako aminy ny taranak’i Jakôba sy hamoriako ny vahoaka Israely ho eo anilany; fa mahazo voninahitra eo imason’ny TOMPO aho, ary Izy Andriamanitro no heriko.


Indro fa hahomby ny Mpanompoko; hisandratra ho avo izy ka hapetraka eo amin’ny toeram-boninahitra ambony indrindra.


«Niaritra fahoriana mafy ny Mpanompoko, hoy ny TOMPO, ka dia hahita ny taranaka sy ho lava andro iainana. Ho fantatry ny olona fa marina io Mpanompoko io; ka dia Izy no hahatonga ny besinimaro ho marina, satria ny tenany no mivesatra ny helok’ireo.


Naniry toy ny solofon-kazo madinika teo anatrehan’ny TOMPO ilay Mpanompony; naniry toy ny fakan-kazo mitrebona eo an-tany karakaina. Tsy nanana endrika na bika nanintona antsika izy, na koa hatsaran-tarehy haniriantsika azy.


Ny tenako sy ny zaza izay nomen’ny TOMPO ahy dia natao famantarana sy fambara mialoha ho an’i Israely avy amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady monina ao an-tendrombohitra Tsiôna.


«Indro avy ny andro izay hanapoirako taranaka marina ho an’i Davida. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Mpanjaka hanjaka am-pahendrena izy, ka dia ny rariny sy ny hitsiny no hampihariny eo amin’ny tany.


Amin’izany andro sy fotoana izany, dia solofo mpandala ny hitsiny no hapoitrako ho an’i Davida. Izy no hampihatra ny rariny sy ny hitsiny eo amin’ny tany.


Ambarao aminy fa famantarana mialoha ho azy ianao, ka tahaka izay nataonao no hatao aminy; ho lasan-ko babo any an-tsesitany izy rehetra.


Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento miainga rehefa maizimaizina ny andro. Saròny ny endrikao mba tsy hahitanao izay tany alehanao, fa ianao dia nataoko ho famantarana mialoha ho an’ireo Israelita.»


Koa i Ezekiela dia ho famantaram-panairana ho anareo. Tahaka izay rehetra nataony no hataonareo koa; ary rehefa tonga ireo zavatra voalaza ireo, dia hoekenareo fa Izaho no Tompo ANDRIANANAHARY.›


Hampaniry ny voly hiadanany Aho, ka tsy hisy olona ho ripaky ny mosary intsony eo amin’ny tany; ary tsy hovesaran’ny latsan’ireo hafa firenena intsony izy.


I Davida mpanompoko no ho mpanjakanareo ka izy irery ihany no ho mpiandry anareo rehetra. Dia hanaraka ny fitsipiko ianareo sady hitandrina ny lalànako sy hanatanteraka ireny.


avy eo izy dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Indro misy lehilahy atao hoe Itsimoka; fa hitsimoham-piainana izay lalovany, sady izy no hanorina indray ny tempoliko;


Mangoraka sy mamindra fo ilay Andriamanitsika, koa masoandro miposaka avy any ambony no hamangy antsika


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra