Ny amperôra Kserksesa dia nampanao asa an-terivozona ny mponina an’atitany sy amorontsiraka teo amin’ny fanjakany.
Daniela 11:18 - DIEM PROTESTANTA Avy eo dia hitodika amin’ireo nosy indray izy ka hahalasa maromaro; kanjo hisy filohan-tafika vahiny iray hampitsahatra ny fanalam-baràka ataony, ka hampitsingerina izany aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hitodika mankany amin’ny nosy izy ka hahazo olona marobe; fa hisy mpitondra hampitsahatra ny latsa ataony, nefa izy kosa dia tsy afaka handatsa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo dia hitodika amin’ireo nosy indray izy ka hahalasa maromaro; kanjo hisy filohan-tafika vahiny iray hampitsahatra ny fanalam-baràka ataony, ka hampitsingerina izany aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hitodika mankany amin’ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony. Malagasy Bible Ary hitodika mankany amin'ny nosy izy ka hahalasa be; ary hisy mpanapaka hampitsahatra ny latsa ataony, sady hatsingeriny aminy ny latsa ataony. La Bible en Malgache Ary hitodika mankany amin’ny nosy izy ka hahazo olona marobe; fa hisy mpitondra hampitsahatra ny latsa ataony, nefa izy kosa dia tsy afaka handatsa. |
Ny amperôra Kserksesa dia nampanao asa an-terivozona ny mponina an’atitany sy amorontsiraka teo amin’ny fanjakany.
Hapetrako eo anivony ny mariky ny fahefàko. Ary ireo sisa velona tamin’ny fitsarako dia hirahiko ho any amin’ny vahoakan’i Tarsisy sy i Pola ary i Loda izay olona kinga amin’ny fandefasana zana-tsipîka, na hirahiko ho any Tobala sy i Javàna ary any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako sady tsy mbola nahita ny voninahitro. Dia hotorîn’ireo irako any amin’ny hafa firenena ny voninahitro.
Fa mba mandehana ange miampita any amin’ny nosy Kitima ka zahao, mba maniraha olona hanadihady any amin’ny Arabo ao Kedara, raha mahita toe-javatra tahaka izao any e!
Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ianareo firenen-kafa, ambarao any amin’ireo nosy lavitra any izany ka lazao hoe: «Nampiely an’i Israely ny Tompo; fa izao manangona azy Izy ary miambina azy tahaka ny ataon’ny mpiandry amin’ny andian’ondriny.»
Hazo ôaka avy any Basàna no nanaovany ny fivoin-tsambonao. Hazo sedera avy any amin’ny nosy Kitima izay nasiana sisika ivoary no nanamboarany ny tokotanin-tsambonao.
Fa mpaminany kosa no nentin’ny TOMPO nampiakatra an’i Israely niala tany Ejipta, ary mpaminany no nataony mpiandry azy.
Hahatsiravina ny hataon’ny TOMPO aminy; hofoanany avokoa ireo andriamanitry ny olombelona. Koa na ireo hafa firenena faran’izay lavitra aza dia hiankohoka avokoa hitsaoka Azy, samy any amin’ny taniny avy.
fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran’Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an’ny olona ihany no hamaran’Andriamanitra ho anareo koa.
Ary hoy i Adônỳ-Bezèka hoe: –Mpanjaka fitopolo, tapaka ankiben-tanana sy ankiben-tongotra, no nitsimpona hanina teo ambany latabatro; koa izay nataoko ihany no navalin’Andriamanitra ahy! Dia nentina ho any Jerosalema i Adonỳ-Bezèka ary maty tany.