Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Hosea 12:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Fa mpaminany kosa no nentin’ny TOMPO nampiakatra an’i Israely niala tany Ejipta, ary mpaminany no nataony mpiandry azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Mpaminany no noentin’NY TOMPO nitondra ny Israely nivoaka avy tany Ejipta, ary mpaminany koa no noentina niahy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Fa mpaminany kosa no nentin’ny TOMPO nampiakatra an’i Israely niala tany Ejipta, ary mpaminany no nataony mpiandry azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Ary mpaminany no nentin’Andriamanitra nampiakatra an’i Israely avy tany Ejipta, mpaminany no nentiny niahy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Mpaminany no nentin’i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, Ary mpaminany koa no nentina niahy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Mpaminany no nentin'i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan'ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 12:14
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida taminy: –Nandrora mitsilany ianao izao ka nahavoa tena. Ny vavanao ihany no nanameloka anao ho faty raha nanao hoe: «Izaho no namono ho faty ny mpanjaka voafidin’ny TOMPO.»


«Raha ohatra io lehilahy io manan-janaka lahy mandroba sy mamono olona ho faty na manao zavatra mitovy karazana amin’izany.


mampindram-bola mba hahazoana zana-bola sy tombony. Moa tokony ho velona ve io zanany lahy io? Tsia! Nanao ireo zava-dratsy rehetra maharikoriko ireo izy, ka ho faty tokoa ary ho tompon’andraikitry ny fahafatesany.


Nandre ny feon’anjomara manko izy, saingy tsy niraharaha ny fanairana azy ka dia tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany. Fa raha niraharaha fanairana izy, dia ho namonjy ny ainy.


Avy eo dia hitodika amin’ireo nosy indray izy ka hahalasa maromaro; kanjo hisy filohan-tafika vahiny iray hampitsahatra ny fanalam-baràka ataony, ka hampitsingerina izany aminy.


Fa mitombo ny fanozonana olona sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty, mbamin’ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady; mifandimby ny ra latsaka.


Raha misy ny fiverenany, dia tsy ho amiko ilay Avo izany; fa mandiso fanantenana tahaka ny tsipîka ketraka izy. Ho lavon-tsabatra ny mpifehy azy noho ny fitsaontsaom-bavany; izany no handatsana azy any Ejipta!


Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon’i Hômrỳ mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin’ny vahoakako.»


Mpaminany anankiray tahaka ahy izao, mpaminany hipoitra avy amin’ny mpiray firenena aminareo, no hatsangan’ny TOMPO Andriamanitrareo ho anareo; izy no hohenoinareo.


Mpaminany anankiray tahaka anao izao, mpaminany hipoitra avy amin’ny mpiray firenena aminy, no hatsangako ho azy; hataoko eo am-bavan’io mpaminany io ny teniko, ka izay rehetra hasaiko hambarany no holazainy amin’ireo mpiray firenena aminy.


Ho figagàn’ny olona sy ho ambentinteniny ary ho fihomehezany ianareo any amin’ny firenena rehetra izay hitondran’ny TOMPO anareo.


Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra