Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 7:2 - DIEM PROTESTANTA

2 fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran’Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an’ny olona ihany no hamaran’Andriamanitra ho anareo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny refy ataonareo no handrefesana ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran’Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an’ny olona ihany no hamaran’Andriamanitra ho anareo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny refy ataonareo no handrefesana ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 7:2
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ireo tamin’ny mpanjaka: –I Saoly no nikasa handripaka anay sy hamongotra anay tsy hisy tavela eo amin’ny tanin’i Israely manontolo;


Tia manozona izy, ka aoka hiantontany; tsy tia mitsodrano izy, ka aoka hidifiany!


maso solon’ny maso, nify solon’ny nify, tanana solon’ny tanana, tongotra solon’ny tongotra,


Lozanao, ry ilay tsy norobaina nefa mandroba sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka. Rehefa mitsahatra mandrava ianao, dia mba horavana koa; ary rehefa mitsahatra mamitaka, dia mba hofitahina koa.


Dia hoy ihany i Jeremià hoe: «Noho izany dia izao no lazain’ny TOMPO: Samy tokony ho nanambara fanafahana ho an’ny mpanompony avy ianareo, dia ho an’ny namany sady mpiray firenena aminy; nefa tsy nankatò Ahy ianareo. Koa Izaho TOMPO mihitsy no manambara sy miteny hentitra aminareo fa halefako hamely anareo ny ady sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hany ka hataoko mampivarahontsana ianareo any amin’ny fanjakana rehetra eran-tany.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: Ho hitanareo kosa izao fa hatsingeriko amin’i Babilôna sy ny mponina rehetra any Babilônia ny ratsy rehetra nataony tamin’i Tsiôna.


satria efa antomotra ny andro hiavian’ny TOMPO ka hamelezany ny firenena rehetra. Amin’izany, dia araka ny nataonao ny hafa no hatao anao koa; ary hatsingerina aminao ny asa ratsinao.


Eny, raha mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo, dia mba hamela anareo koa ny Rainareo Izay any an-danitra;


Ary hoy koa i Jesoa taminy: –Diniho izao teny renareo izao: izay famarana amaranareo ihany no hamaran’Andriamanitra ho anareo koa, ary hasiany fanampiny aza ny anareo.


manomeza, dia homen’Andriamanitra ianareo; fatra tsara, mihintsana, mifatratra sy avo loha no haidina amin’ny kitaponareo fa izay fomba hamaranareo ho an’ny olona ihany no mba hamaran’Andriamanitra ho anareo koa.


Izao no tsarovy: izay mamafy kely dia hijinja kely; izay mamafy be dia hijinja be.


satria fitsarana tsy misy indrafo no hataon’Andriamanitra amin’izay tsy namindra fo; ny famindrampo kosa afa-mirehareha tsy matahotra ny fitsarana.


Mamalia azy araka izay nafitsony taminareo, ka ataovy avo sasaka noho izay vitany; ny tsatokaty, izay nasiany zava-pisotro mifangaro ho anareo, dia asio zava-pisotro mifangaro indroa heny ho azy;


Ary hoy i Adônỳ-Bezèka hoe: –Mpanjaka fitopolo, tapaka ankiben-tanana sy ankiben-tongotra, no nitsimpona hanina teo ambany latabatro; koa izay nataoko ihany no navalin’Andriamanitra ahy! Dia nentina ho any Jerosalema i Adonỳ-Bezèka ary maty tany.


Teo an-tongo-dravehivavy izy no nitolefika sy nianjera ary nitsitra; teo an-tongo-dravehivavy teo izy no nitolefika sy nianjera; teo amin’ny nahatolefika azy teo izy no nianjera ka maty.


Nefa hoy i Samoela taminy: –Ny sabatrao no tsy nananan’ny vehivavy maro ny zanany. Dia notetehin’i Samoela tamin’ny sabatra teo anatrehan’ny TOMPO tao Gilgala i Agaga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra