Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 7:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Nahoana moa ianao no mahita ny tapak’ahitra eo amin’ny mason’ny havana iray finoana, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao tsy tandrinao akory?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Nahoana ianao no mijery ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsikaritrao akory?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Nahoana moa ianao no mahita ny tapak’ahitra eo amin’ny mason’ny havana iray finoana, nefa ny vatan-kazo eo amin’ny masonao tsy tandrinao akory?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Nahoana ianao no mijery ny singan’ahitra eo amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsikaritrao akory?

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 7:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary ahoana no hilazanao amin’ny havanao hoe: «Etsy hoesoriko ny tapak’ahitra eo amin’ny masonao», nefa jereo ange ity vatan-kazo eo amin’ny anao?


Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo eo amin’ny masonao; izay ianao vao hahiratra tsara ka hahaisotra ny tapak’ahitra eo amin’ny mason-kavana.


Naka toerana ilay Farisianina ka nivavaka anakampony hoe: «Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany izay mpangalatra, tsy marina sady mpaka vadin’olona, na tahaka io mpamory hetra io aza.


Noho izany, dia tsy afa-tsiny ianao, ry olona izay manameloka ny hafa, na iza na iza ianao. Eo am-panamelohana ny hafa no anamelohanao ny tenanao, satria izay ataon’ireo melohinao, ataon’ny tenanao koa.


Ry havana, raha misy olona sendra latsaka amin’ny hadisoana, dia aoka ianareo izay manana ny Fanahy Masina hanarina azy amim-pahalemem-panahy; ary aoka hitandrin-tena koa ianao fandrao voataona amin’ny ratsy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra